Raharaha fiaran-dRavalomanana: Hitondra fanazavana i Vaomalala Olga

Isan’ny vaovao nahazo sehatra tamin’ny gazety an-tsoratra maromaro omaly talata teto an-toerana ny momba ilay fiara 4X4 tsy laitram-bala voalaza fa an-dRavalomanana Marc nalain’ny tompon’andraikitra tamin’ny fitondrana tetezamita. Ny voaresaka omaly dia hoe « teny amin’ny tanànan’i Alain Ramaroson teny Andoharanofotsy no nakana azy io ».

Isan’ny navoitran’ny gazety iray tamin’ireo namoaka ity vaovao omaly ity ny hoe fitakian’ny vadin’i Alain Ramaroson vola 400 tapitrisa iraimbilanja ho takalon’ny fanekeny hamerina an’io fiara io amin’Ingahy Ravalomanana.

Nangataka fanampim-panazavana tamin-dRtoa Vaomalala Olga, vadin-dRamaroson Alain momba izany rehetra izany izahay, saingy nilaza izy fa « hitondra fanampim-panazavana, karazana setrin-dahatsoratra, any amin’ny gazety namoaka ny lahatsoratra fa tsy mety raha gazety hafa tsy namoaka toa anareo ao amin’ny La Gazette de la Grande Ile no hitondrana fanazavana momba ny lahatsoratra tany amin’ny gazety hafa”.

Ajouter un Commentaire