Soavina Betafo: Mampilaza ireo olona ho tafihany ny dahalo

Miaina ao anatin’ny ahiahy sy fitaintainan-dava ny mponina any amin’iny distrikan’i Betafo iny noho ny firongatry ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny dia saika ahitàna izay asan-dahalo izay avokoa manerana ireo kaominina 18 ao anatin’ny distrikan’i Betafo fa ny kaominin’i Soavina no tena anjakazakan’ny dahalo tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Raha ny zava-misy ao anatin’ny fokontanin’i Marolaona, kaominin’i Soavina dia tsy manana henatra intsony ireo dahalo mpangalatr’omby fa dia mahasahy mampilaza mialoha an’ireo olona ho tafihany mihitsy amin’ny alalan’ny taratasy. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia omaly talata ireo dahalo no nilaza ny hanafika araka ny voalaza ao anatin’ny taratasy nalefan’izy ireo. Voalaza fa tsy mivazivazy ireo dahalo any amin’ity kaominina ity fa rehefa mampilaza mialoha tahaka izany dia tena tonga manafika tokoa. Lavitra ny zandary ihany koa ny toerana ka tsy matahotra manao izany asa ratsiny izany ireo olon-dratsy. Mihorohoro tanteraka moa ny mponina any an-toerana omaly, niandry an’izay mety ho fanafihan-dahalo izay. Ireto farany izay efa nampandre ny zandary avy any amin’ny borigadin’i Betafo.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire