Filoha Rajaonarimampianina : Nampody vady !
Tsy voalohany no nandeha nisintaka an-dRajaonarimampianina ny vadiny, Voahangy Rajaonarimampinina, fa matetika. Indray mandeha moa dia Ingahy filoha mihitsy no namily ny fiarany niala teny an-dapa, niazo an’Ivato, ho atsy amin’ny Nosy maorisy, naka an-badiny, fa nisintaka tany noho ny olana teo amin’izy roa.
Isaky ny misy fotoan-dehibe koa eto dia matetika no tsy eto Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy.
Tamin’ny zoma teo izao, vao vita ny fivoriana notarihian’Ingahy Filoha dia lasa niampita ranomasina izy, mba hampody ny vadiny.
Ity dingana iray ity aloha, raha ny re, dia toa tsy olana teo amin’izy mivady loatra no fototry ny raharaha fa efa karazan’ny mahatsapa Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy fa tsy ho ela intsony dia hihetsika ny vahoaka ka efa manamboatra toerana hiondranana, hanaovana sesitany ny tena any ampita any.
Tsy mety loatra amin’Ingahy Filoha izany handray vahiny nefa tsy eo anilany ny andefimandriny, ka lasa tany hampody azy ny filoha. Ho avy amin’ny talata mantsy ny filohampirenen’i Torkia, ka sadaikatra ny filohampirenena ary tsy maintsy hametrahan’ny mpanara-maso fanontaniana hoe « nankaiza ny vadinao, r’ingahy filoha », dia ny azy no nataony tonga aloha.
Tsy hiditra amin’ny raharahan-tokantranon’Ingahy Filoha isika eto, na dia fanaon’ny mpanao gazety maro any ampita any aza ny miditra lalina mihitsy amin’ny fiainan-tokantranon’ny mpitondra any aminy. Ny antsika dia ny akon’ireny tranga any an-tokantranon’ny mpitondra ireny eo amin’ny tontolon’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka no tsy maintsy isokafam-bava na hanoratana.
Ny fihetsiky ny filohampirenena Rajaonarimampianina eo anoloanan’ny andefimandriny amin’ny raharaham-pirenena no tsy azo ekena e ! Milefitra sy manaiky ambongadiny ny baikom-badiny izy, ary saika nifototra tamin’ny sitra-pon-dRajaonarimampianina Voahangy ny maro amin’ireo tranga niteraka olana teo amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy maintsy resahina izany.
Fomba ahoana moa no hikombonam-bava raha mandre ianao fa ny sitra-pon’ny vadin’ny sasany no tsy maintsy nampandeferana ny raharaha maloto sasany, toy ny fakana takalon’aina an-keriny tany Toamasina tany ? Dia hoeken’ny fisainana ve ny akon’ny baiko tian’ny vadin’ny sasany hahadiavolana ny sainy ka tsabahiny hatrany amin’ny resaka fandriampahalemana sy fiarovam-pirenena, raha tsy hanipika afa-tsy ny raharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena isika ?
Tranga roa amin’ireo marobe azo anokafana ady hevitra eto ireo, fa ny fantatra aloha, mety ho nigadona androany maraimbe na alina teto an-tanindrazana, rehefa avy nampody am-badiny tany ampitan’ny ranomasina ny filoha e !