Lalatiana Ravolomanana: « Vonona hifona sy hiala tsiny amin’ny vahoaka aho »
Vahinin’ny namana mpanao gazety Théodoree Ernest Randrianasolo tao amin’ny fandaharana Tsikaritra ao amin’ny onjam-peon’ny Aceem Radio omaly alahady atoandro Rtoa Ravololomanana Lalatiana.
Amin’ny maha-mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo azy no nitondrany fanazavana tao. Azo ambara fa hentitra ny fanazavana nentiny satria izy dia mahafantatra tsara ny tontolon’ny tanànan’Antananarivo.
Voalohany amin’ny tranga nanehoany hevitra omaly ny raharahan-tany eo Antanimbarinandriana izay nandraisan’ny birao mpanatanteraky ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fepetra. Nisy nanototra tany io kianja malalaka io. Nambaran-dRavololomanana Lalatiana fa « ny avy eo anivon’ny birao mpanatanteraka amin’izao fotoana dia milaza fa nisy fifampivarotana nataon’ny tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo tamin’ny taona 1999 an’io tany io. » Raha ny marina izany, hoy ity mpanolotsainan’ny tanàna ity dia tamin’ny fotoana naha-ben’ny tanàna an-dRazanamasy Guy Willy izany. Ny tenako dia Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny anànan’Antananarivo tamin’izany, hoy izy, ka amin’ny anaran’ny mangarahara, asehoy ho fanta-bahoaka ny antontan-taratasy momba izany fa raha ny ben’ny tanàna Razanamasy tokoa no nanao sonia ny fifampivarotana tamin’izany, na tsy fantatro sy tsy hitako tamin’izany aza, dia vonona hibaboka sy hifona ary hiala tsiny eo anoloan’ny vahoaka ny momba izany ny tenako. » Raha ny fahenoako siosion-dresaka anefa, hoy hatrany Ravololomanana Lalatiana dia ny filohan’ny mpanolotsainan’ny tanàna tamin’izany fotoana, ingahy Lalaina Berthnès no toa nivarotra an’io tany io tamin’izany.
Andrasana koa izany ny fanazavana hoentin’i Lalaina Berthnès momba izany.
Etsy ankilany, mbola eo Antanimbarinandriana ihany dia nokianin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivoamin’izao fotoana koa ny fananganana trano ho famakiam-boky ao anatin’ny faritry ny Sekoly fanabeazana fototra ao. Toa tetik’asan’ny vadin’ny filohampirenena amin’izao fotoana angaha izy io, hoy Ravololomanana Lalatiana. Io trano famakiam-boky io dia hoe ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanatanterahana ny tetik’asan’ny filohampirenena no nanome alalana ho amin’izany fa tsy ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanàna. Ho an-dRavolomanana Lalatiana dia tsotra ny nambarany. Fifandroritana fahefana na « conflit de compétence » no misy ka inona no tsy ifanatonan’ny Ben’ny tanàna sy ny minisitry ny fanajariana ny tany dia mifandamina mba hiravonan’ny raharaha ? Mifamatotra amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ange izany trano famakiam-boky izany ka efa andalam-panorenana izany ny tompon’ny tetik’asa, dia horavaina indray ve satria tsy ny kaominin’Antananarivo no nanome ny alalana hanorenana azy io eo, hoy ity mpanolotsainan’ny tanàna avy amin’ny mpanohitra ity ? Tonga hatramin’ny filazana hoe « faritra tsy azo anorenana tranoio », hoy ny fampahatsiahivan-dRavololomanan Lalatiana ny tenin’ny kaominina, « ka raha izany, harodana sy hotrongisina hatramin’io sekoly efa miorina an-taonany maro eo io ve izany », hoy izy ?
Fa nasian-dRavolomanana Lalatiana resaka koa ny fifamatoran’ny tanànan’Antananarivo sy ilay orin’asa misahana ny fitantanana ireo toeram-piantsonan’ny fiara na « parking » eto an-tanàna, dia ny « Easy park » izany. Notsindrian-dRavololomanana Lalatiana fa « ny vontoatin’ny fifanarahana hoe ny 20%-n’ny vola azo amin’ny fitoeran’ny fiarakodia amin’ireo faritra sahanin’ny Easy park no tsy ankasitrahanay ka nitakianay ny mba hamerenana ny fandinihana azy io eo anoloan’ny filankevitry ny tanàna. Nomarihiny koa fa « ny resaka fantatra avy amin’ny fanadihadiana natao dia efa nalain’ny tompon’andraikitry ny fiadidiana ny tanàna mialoha (avance) ny 74%-n’io anjaran’ny kaominin’Antananarivo 20% amin’ny hofan-toerana fitobian’ny fiara tantanin’ny Easy Park io. » Ny nanaovana an’izany vola izany koa dia tsy fantatra, hoy izy.
Takian-dRavololomanana Lalatiana hatrany ny hampanjakana ny mangarahara amin’izany rehetra izany, satria « volam-bahoaka izany ka tsy tokony ho tompon-trano mihono ny vahoaka », hoy izy.
Isan’ny tsy nohadinoin’ity mpanolotsainan’ny tanànan’ Antananarivo ity koa ny nanisy fitenenana momba ilay nambara fa « nankatoavin’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo ny fifanarahan’ny kaomina sy ny orin’asa Tiko mba hampitobian’ny Tiko ny fiarany eny amin’ny tanin’ny kaomina eny Andohatapenaka ». Efa hivoaka amin’ny faha-17 febroary moa ny didim-pitsarana momba azy io, saingy nomarihin-dRavololomanana fa « tsikombakomba maloto ifanaovan’ny ben’ny tanàna sy ny vadiny toy ny nataon-dry zareo tamin’ny fananan’ny kaomina maro teto ihany izany, fony Ben’ny tanàna Ingahy Ravalomanana, ary nohamafisin-dry zareo rahefa lasa filohampirenena izy taty aoriana. »
Toamasina : karana iray indray no nisy naka an-keriny
Mbola mitohy ny fakana an-keriny an’ireo teratany vahiny eto amintsika. Tato anatin’ny volana maromaro izay dia ao amin’ny tanànan’i Toamasina no matetika nahitàna izay fakana an-keriny izay ary mbola tao ihany koa ity niseho tamin’ny zoma hariva teo ity. Teratany indianina iray, raim-pianakaviana, mitondra ny anarana hoe Nourbhay Sefoudine, no nisy an-keriny tao amin’ny fokontanin’Ampasimazava. Voalaza moa fa tompona tranombarotra lehibe iray any an-toerana ity teratany indianina ity ary raha ny fahitan’ireo nanatri-maso dia olona 5 nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika no naka azy an-keriny tamin’io fotoana io. Ireo jiolahy izay marihana fa nitondra fiara Renault Express miloko fotsy ary rehefa vita izay fakana an-keriny izay dia najanon’izy ireo tao amin’ny fokontanin’Anjoma ny fiara. Rehefa nataon’ny mpitandro filaminana ny fisavàna dia hita tao anatin’ity fiara ity ny balana kalachnikov vitsivitsy sy saron-tava fampiasan’ireo olon-dratsy. Ilay fiara nentin’ilay mpandraharaha indianina kosa dia hita tao Mangarano teo anoloan’ny hotely lehibe iray. Tsara koa ny manamarika fa niaraka tamin’ny zanany sy ny mpiambina akaiky azy ity indianina ity tamin’ny fotoana nakan’ireo jiolahy azy an-keriny teo anoloan’ny vavahadin’ny trano fonenany. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nisy ny fanampim-baovao nivoaka momba ity raharaha ity.
F.Tsihiavonana