Seranam-piaramanidina Ivato: Zandary 2 nifamaky vava teo imasom-bahoaka

Tsy nisy henatra intsony tao anatin’ireto zandary roa ireto noho ny ady tombotsoa. Taitra ireo olona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talata folakandro lasa teo, rehefa nahita ireo zandary roa nifanao tohotondry teo imasom-bahoaka. Ny niafarany moa dia samy vaky vava ny roa tonta satria nananosarotra ireo zandary hafa namany no nanasaraka azy ireo. Fahafaham-baraka ho antsika Malagasy ny tranga toy ity niseho teny amin’ny seranam-piaramanidina ity satria betsaka ny teratany vahiny no nanatri-maso izany. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa resaka aferana volamena no fototry ny disadisa teo amin’ireto zandary roa ireto, ny iray dia lefitra ny “Commandant de Brigade” ary ny iray kosa dia manam-boninahitra lefitra eo ambany fibaikony. Raha ny fantatra dia nisy ny raharaha maloto nataon’izy roa lahy saingy tsy nifanaraka tamin’ny vola tokony ho azon’ny andaniny sy ny ankilany rehefa vita ny afera ka teo no nahatonga ny disadisa. Tsy fantatra izay ho fepetra ho raisin’ny zandarimariam-pirenena amin’ireto zandary roa nigagam-bahoaka ireto satria dia nibaribary tsy takona afenina intsony ny kolikoly nataon’izy ireo. Ny rehetra dia efa samy mahalala avokoa fa anisan’ireo toerana hanjakan’ny kolikoly sy ireo karazana trafika maro samihafa ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato ity.

                                                                                                      F.Tsihiavonana

Fifamoivoizana ao Antsirabe: Manjaka ny baranahiny ataon’ny Taxi-be

Miverina aminy baranahiny indray ireo taxibe eto an-tanàna. Mandeha mirimorimo mifanenjika, mampitsangana, mijanona eny afovoan’ny arabe, mandray mametraka olona, mijanona na tsy eny amin’ny toeram-piantsonana aza. Teo aloha anefa dia voafehin’ny pôlisim-pirenena izy ireo fa izao kosa dia manao izay tiany hatao ireo mpamily. Ny mpandeha ihany anefa no mizaka ny vokany amin’izany rehetra izany. Santionan’ny hadalana ireo fa mbola betsaka ny ataon’izy ireo manararaotra ny tsy fahamatoran’ny fanaraha-maso. Samy manana ny fimenomenonany ny mpandeha satria dia mijaly loatra. Miangavy ny pôlisy sy ATT mba hanao masiaka hiverenan’ny filaminana indray. Etsy andaniny dia mba manao ny hadalany koa ny posy sy ny “cyclo-pousse” mitera-doza eny an-dalambe. Fantatra ary fa betsaka izy ireo no tsy ara-dalàna akory fa mangalatra manao fitaterana. Betsaka ny loza ateraky ireo mpitondra posy tsy ara-dalàna ireo. Rehefa hamoizana ain’olona mihitsy angamba vao ho taitra ny mpitondra eto an-tanàna.

Tsenan’ny tantsaha: Maloto tsy misy mpikarakara

Eo andrefan’ny tsenan’Asabotsy no misy ny tsena iray natokana ho an’ny tantsaha ary any ambanivohitra no antsoina azy na koa hoe tsena vao. Amin’izao fahavaratra izao dia mamotaka izay tsy izy ny tsena ka tsy misy mpividy mirotsaka any. Ny loto no manjaka ao amin’ity tsena ity, trano kely amboarin’ny mpivarotra no fivarotana ireo vokatra miakatra ary any ambanivohitra toy ny legioma isan-karazany, anana, voatabia, tongolo ravina…. Vao misokatra ity tsena ity dia tratran’ny fahamaizana ka maro ny entana sy ny fivarotana may. Tsy voakarakara mihitsy ity tsena ity hatramin’izay ka tsy mahavantana ny mpividy. Na ny lalana mankany aza dia mampiverin-dalana. Na izany aza dia misy mpivarotra ihany ao kanefa manao ladina an-tany ka amin’izao fahavaratra izao dia mifangaro amin’ny fotaka ireo legioma sy anana. Ny toerana koa tsy azo antoka ny fahadiovany. Matimaty ity tsena ity ka betsaka ny mpivarotra mitsoaka ivelany ka mameno ny sisin-dalana. Efa im-betsaka no nanao fitarainana ny fikambanan’ny mpivarotra kanefa dia ny omaly tsy miova ihany. Araka ny filazan’ny olona eny amin’ny manodidina dia lasa fieren’ny jiolahy amin’ny alina ka oviana ihany vao tena ho mendrika ny tsena vao?

Abel Ratsimbazafy

Ajouter un Commentaire