Guy Rivo Randrianarisoa: Vaky vava fa manao fampielezan-kevitra sahady Ravalomanana
Zovy moa no mahita ny fihetsiketsehan-dRavalomanana etsy sy eroa ka tsy hiteny hoe « manao fampielezan-kevitra pôlitika izy » ?
Nivaky ny mpiara-dia akaiky aminy, dia i Guy Rivo Randrianarisoa tao amin’ny tambajotran-tseraserany (Facebook) fa « Isaky ny asabotsy, mponina amin’ny tanàna ambanivohitra dimy na fito eto Madagasikara no vangian’ny filoha Ravalomanana. Mihaino mivantana ny fahoriana, ny fijaliana, ny hetahetan’ny tantsaha. Manomana ny MAP 2 na Madagasikara AmPerinasa. »
Rehefa tonga amin’ireny toerana tsidihany ireny ity filoha teo aloha nahongam-bahoaka ity dia milaza hatrany hoe « tsy maintsy mirotsaka hofidiana aho amin’ny 2018 ». Inona no dikan’izany ? Varotra voanjo sa sasa lovia ?
Izahay dia manaiky fa zara-asan’ny mpanao pôlitika mandavan-taona ny miresaka amin’ny vahoaka, saingy eto ange ka misy mpanao pôlitika karazany roa e ! Ny karazany voalohany dia ireo miara-dia amin’ny mitana ny fahefam-panjakana, izay afaka manao ny zavatra rehetra. Ny tafiditra ao anatin’izany dia Ingahy Ravalomanana. Tsy mahagaga moa izany satria ny Hvm sy ny Tim ange no miara-mandrafitra ny governemanta e ! Hatramin’ny mpanolotsaina manokan’i Hery Rajaonarimampianina no ahitana an’ireo olo-mahatoky an-dRavalomanana, toa an’i Harison Randriarimanana, izay minisitry ny Fambolena faha-Ravalomanana. Ao koa i Sahobison Olivier, izay minisitry ny Varotra faha-Ravalomanana koa. Ny hafa tsy ferana.
Fa ny sokajin’ny mpanao pôlitika iray dia ireo ataon’izay mitana ny fahefam-panjakana anjorom-bala hatrany. Tsy avela haneho hevitra na ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana na amin’ny famoriana vahoaka na amin’ny fitsidiham-paritra. Mirazotra amin’izany ny fampihorohoroana sy fandrahonana azy ireny raha vao manana fandaharam-potoana hitsidi-paritra.
Noho izany, na zara-asan’ny mpanao pôlitika andavanandro aza ny miresaka amin’ny vahoaka amin’ny fomba rehetra, dia tsy afaka misitraka an’izany izay tsy miara-misaika amin’ny mpitondra. Isan’ny afaka misitraka an’izany zo fanaovana pôlitika izany, ary manararaotra manao propagandy pôlitika mihitsy moa Ingahy Ravalomanana.
Ny tena mety izao, raha fitondram-panjakana te hampibaribary ny fanajany ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ny mpitondra eto Madagasikara dia avelany hiteny sy haneho hevitra an-kalalahana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny sokajin’olona rehetra, ary tsy sakantsakanana izy raha hamory vahoaka.
Rehefa mazava izay ka voahaja dia ho hita eo izay tsy mahovoka satria fifaninanana masina io.
Ny fitondrana Hvm anefa dia mbola isan’ireo matahotra demokrasia sy tsy mankasitraka ny hahazoan’izany sehatra eto ka misakana ny hafa tsy hisitraka ny zony ara-pôlitika. Ry Ravalomanana no ataony « seho ivelany ».
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.