Raharaha 29 martsa 1947: Tsy mbola teraka tokoa Ingahy Ravalomanana ka miteniteny foana

Hitsingerina indray ity ny taona ahatsiarovana ny Raharaha 29 martsa 1947. Feno 70 taona izany amin’ity taona 2017. Heverina fa tsaroan’ny maro tsara ny teny nataon-dRavalomanana tamin’ny taona 2006, raha nandalo teto ny filoha Frantsay Jacques Chirac, ka nitafa niaraka tamin’ny mpanao gazety izy roalahy ireo. Isan’ny fanontaniana avy amin’ny mpanao gazety tamin’izany ny momba ny Raharaha 29 Martsa 1947. Nitsatsaingoka Ingahy Ravalomanana nilaza hoe « tsy mbola teraka aho tamin’izany ». Ingahy Chirac indray no nitondra fanazavana miendrika fihatsarambelatsihy. Amin’izao fahatsiarovana ny faha-70 taonan’ny raharaha 1947 izao dia manentana vahoaka hiara-hitrotro am-bavaka ny firenena ny mpiara-dia amin-dRavalomanana eny amin’ny Magro Behoririka amin’ny alarobia. Izany « Vondrom-bavaka Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka » izany no mikarakara ary milaza fa hanotrona izany Ingahy Ravalomanana. Ny endrika isehoan’ny « fanatisma » amin-dRavalomanana moa dia tsy hay lazaina intsony ho an’ireo mpanara-dia azy fa tena « mesia » mihitsy ingahy io, fa ny mahamenatra dia ny fahasahian’ny mpiara-dia amin-dRavalomanana  miantso vahoaka amin’io alarobia faha-29 martsa ho avy izao io hoe « Ho fankalazana ny faha-70 taona …. dia faly manasa antsika…. »

Voalohany aloha dia tsy mahagaga raha miteniteny foana toa izany ry zareo mpiara-dia amin-dRavalomanana. Mbola voaporofo ihany fa tsy nisy mba nandalina ny tantaran’ny firenena izy ireo. Ny fantatr’izy ireo dia ny taona 2000 no mankaty, satria tamin’ny taona 2000 no nanomboka nisehatra teo amin’ny raharaham-pirenena Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny maha-ben’ny tanànan’ Antananarivo azy. Manomboka eo ny tantaran’i Madagasikara ho an-dry zareo fa ny talohan’izany, tsy ahoana.

Ampianarina amin-dRavalomanana sy ny mpiara-dia aminy fa famonoana ny vahoaka malagasy nataon’ny mpanjanatany Frantsay no nitranga tamin’izany Raharaha 1947 izany ary an’hetsiny ny malagasy namoy ny ainy, ankoatry ny nitondra takaitra sy ny rava fananana… » Noho izany, voambolana fady ny mampiasa azy raha hiresaka raharaha 1947 ny hoe « fankalazana ». Raha tsy hoe Frantsay na mpomba ny nataon’ny frantsay tamin’izany angamba ianao.

Vao mainka miendrika ho fandatsana ny malagasy namoy ny ainy tamin’izany ny filazana hoe « faly manasa antsika… ».

Amin’ny lafiny iray koa anefa dia tsy mahagaga raha mampiasa ireo voambolana ireo ry Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy satria tsy vitan’ny hoe tsy mahalala na inona na inona fa mbola isan’ireo mpiankin-doha amin’ny vahiny mpanani-bohitra mpandroba harena avy any ivelany koa izy ireo.

Milaza ho tsy tia frantsay ny mpiara-dia amin-dRavalomanana fa tokony tsy hampandrimandry manan-draharaha antsika vahoaka malagasy fa vao mainka nadanadanan-dry Ravalomanana ho an’ny vahiny ange ny fitrandrahana harena eto mba horobain’ny vahiny e ! Itodiho kely ny fifanarahana isan-tokony nifanaovan-dRavalamanana tamin’ny vahiny fony izy filohampanjakana teto.

Ankoatra izany,  raha nofoanan’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena isany, ohatra, ny trosany tamintsika malagasy tamin’ny taona 2002, dia nifampiraharaha vaovao tamin’ny mpampisambo-bola iraisampirenena indray Ravalomanana ka nanomboka tamin’ny 2005, ny trosa vaovao namatoran-dRavalomanana ny firenena malagasy amin’ny tany ivelany dia efa nananika ny 4.700 tapitrisa dolara sahady, izay ny taranaka malagasy hatramin’ny taona 2047 no manonitra azy hatrany. Ny trosa hafa namatoran’ny fitondrana Ravalomanana taorian’ny  2005 moa dia mbola any aorian’ny 2047 no anefana azy.

Izany ve dia mpitondra mahay mitantana sy tia tanindrazana. Ny tantaran’ny fireneny aza tsy hainy, ka hahagaga ve raha ampiziogainy trosa manandevo ny taranaka malagasy ?

Ralay

Ajouter un Commentaire