Claudine R.: Afaka ny gadrako…o ! o ! o!

Omaly zoma faha 07 aprily 2017, tamin’ny 11 ora sy sasany maraina no tonga teny amin’ny sampan-draharaha ambony mahakasika ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny halatra avo lenta « Chaîne pénale » etsy amin’ny 67 Ha ramatoa Claudine Razaimamonjy. Naharitra adiny fito teo ho eo ny fanadihadiana azy tao amin’ity toerana ity satria tamin’ny 6 ora sy 25 minitra hariva izy no nivoaka tao amin’izany toerana izany. Fiarakodian’ny Emmo/Reg sivy no niandry ny fivoahany tao amin’ity toerana ity niampy fiarakodia mpitondra marary (ambulance) iray. Nampidirina tao anatin’ilay fiara mpitondra marary i Claudine ary narahan’ireto miaramila marobe ireto. Tsy nisy fanazavana azo avy ao amin’ity toerana fitsarana ity, ary tsy nisy koa ny fanambarana. Tsy afaka niditra tao anatin’ny toerana ary tsy afaka nanontany koa ny mpanao gazety. Samy tsy nisy afaka nanao na inona ireo mpomba an-dramatoa Claudine Razaimamonjy niandry azy teo ivelan’ny lapan’ny fitsarana.

Raha iverenana ny fiampangana an-dramatoa Claudine, dia “dossiers” maromaro no nanaovana fanadihadiana azy. Ny iray voalohany fitoriana voarain’ny teo amin’ny Bianco na ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly etsy amin’ny foibeny atsy Ambohibao Antananarivo. Ny iray faharoa indray dia avy amin’ny Bianco any Fianarantsoa izay misy karazany telo.

Nanomboka ny alatsinainy faha 03 aprily 2017 no nakana ambavany azy ka tsy vita izany raha tsy omaly zoma faha 07 aprily 2017.

Raha ny zava-nisy dia nifamalian’ny mpahay lalàna telo avy amin’ny andrim-panjakana roa, dia ny minisitra ny Fitsarana Andriamiseza Charles izay nanameloka ny fomba nitanana azy teny amin’ny Bianco, ankilany. Nanampy izany koa ny filazan’ny minisitra ny Fambolena sady filohan’ny HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) ingahy Rivo Rakotovao, izay nanakiana mafy ny fomba nisamborana azy teny Mahamasina tamin’ny alatsinainy iny raha nijery ny fiadiana ny amboaran’ny filoham-pirenena amin’ny taranja “basket-ball” izy. Ankilany ny SMM na ny sendikan’ny mpitsara Malagasy izay nanakiana mafy ny minisitra ny Fitsarana ary nanambara fa tsy manara-dalàna ny fihetsika nataony. Milaza ny eo anivon’ny SMM fa hanara-maso akaiky ity raharaha ity izy ireo. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nanambara fa ara-dalàna ny fizotran’ny famotorana rehetra ny Bianco tamin’ny alalan’ny tale jeneraliny ingahy Andriamifidy Jean Louis.

Marobe koa no feom-bahoaka taty ivelany izay mitaratra mafy ny amin’ny hataon’ny fitsarana sy ny fanjakana satria efa mandeha dia mandeha ny filazana fa sinema no

ataon’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina amin’ity raharaha ity. Hatramin’ny minisitra ny Fitsarana avy no manao ny asan’ny mpisolovava avy.

Nahoana no niantsoana fiara mpitondra marary i Claudine Razaimamonjy?

Samy faminavinana avokoa no mandeha hatramin’izao. Ny olona milaza fa nahazo vaovao manokana tao amin’ity fitsarana tao amin’ny “Chaine Pénale” ity dia milaza fa “hotanana vonjy maika eny amin’ny fonjan’Antanimora hono ramatoa Claudine” ka avy hatrany dia torana, ka tsy maintsy niantsoana fiara mpitondra marary. Ny filazana manaraka indray dia manambara fa mody manao torana dia alefa any amin’ny hôpitaly dia avy eo alefa mitsabo tena any an-dafy. Vita tanteraka ny raharaha avy eo. Misy aza ny milaza fa efa misy fiaramanidina manokana miandry hitondra azy hivoaka any ivelany hotsaboina any hono. Mbola milaza ireo mpitazana avy aty ivelany fa sinema no misy satria mbola tsy nisy olona halefa any amponja vonjy maika izany ka avy hatrany dia “ambulance” hitondra azy any amin’ny hôpitaly no miandry azy. Misy aza ny milaza fa tsy natao ho an’ny olona manam-bola ny fonja Malagasy amin’izao fotoana izao. Ny mpangaro-mpaosy, ny mpangala-botry, ny mahantra nangalatra noho ny tsy fananana sy ny fahantrana ary ny hanoanana no mameno amin’ny ampahany be indrindra ny fonja eto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Manampy ireo ny mpangalatr’omby any ambanivohitra.

Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra izay misy an-dramatoa Claudine Razaimamonjy. Any Antanimora ve, sa any amin’ny hôpitaly? Sa lasa any ivelany? Inona marina koa no vokatra ny fakana ambavany nataon’ny “Chaine pénale”?  

Hatreto aloha dia azo lazaina fa afaka ny gadrany satria tsy niditra any am-ponja avy hatrany izy. Avy amin’ny hira ny teo aloha hoe “afaka, afaka, afaka ny gadrako…o!o!o!”. Ho hitantsika ihany ny tohiny.

JB

Commentaires   

0 #2 Ferdinand 15-05-2017 21:57
This is the right webpage for anybody who would like to understand this
topic. You know so much its almost tough to argue with you (not
that I really will need to?HaHa). You definitely put a fresh spin on a topic that’s been discussed for ages.
Great stuff, just great!

Feel free to visit my blog post … largest foot (Jovanhauen.Hatenablog.com: http://Jovanhauen.Hatenablog.com/entry/2015/06/28/045422)
Citer
+1 #1 JAOMARENGA 10-04-2017 15:51
Efa heno fa lasa any Maurice izy. Midika izany fa fomba entina handosirany ny raharaha mikasika azy. Fa tokony hapaka hatramin’ny farany io raharaha io amzay samy mandeha any amponja avokoa ireo fahavalom-pirenena eo amin’ny fitondrana ireo.
Citer

Ajouter un Commentaire