Claudine Razaimamonjy: Tafatsoaka atsy amin’ny Nosy Maorisy

Toa ireny manaraka horonantsary mitohy ireny ny fanarahan’ny olom-pirenena mpanara-baovao ny raharaha Claudine Razaimamonjy tao anatin’ny herinandro. Raharaha izay tena miendrika horonantsary satria misy ny fivadihan’ny raharaha tampoka na ilay ambaran’ry zareo Frantsay hoe “affaire pleine de rebondissements”. Ny alahady hariva, raha ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery sy tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy, dia mbola notanana tao amin’ny sampam-pameloman’aina ao amin’ny HJRA i Claudine Razaimamonjy. Tamin’io andron’ny alahady io dia efa niely ny tsaho fa hoe navoaka any ivelany ity mpanolotsain’ny filoham-pirenena ity noho ny toe-pahasalamany saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia voamarina fa mbola tao amin’ny HJRA no nisy azy. Tonga ny omaly maraina, hatairana ny an’ireo olom-pirenena rehefa nivoaka ny vaovao fa efa nalefa notsaboina atsy amin’ny Nosy Maorisy ramatoa Claudine Razaimamonjy, vao maraina mangiran-dratsy. Betsaka moa ireo mbola nihevitra fa tsaho miparitaka izany kanefa rehefa nandeha ny ora sy ny fotoana dia voamarina ihany ity vaovao ity. Teo no nanomboka taitra ny mpanara-baovao ary nisy tamin’ireo nafana fo nanohana ny Bianco aza no nitsamboatra mihitsy rehefa nahafantatra izany. Nipetraka moa ny fanontaniana: ahoana no nahafahan’i Claudine nivoaka any ivelan’i Madagasikara? Iza no nanome azy ny alàlana tamin’izany ary inona ny fiaramanidina nitondra azy?

Araka ny vaovao nivoaka izay voamarina dia omaly maraina, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 40  minitra, no niainga tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina manokana an’ny kaompania tsy miankina MTA (Madagascar Trans Air) nitondra an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy atsy amin’ny Nosy Maorisy. Raha ny voasoratra ao anatin’ny taratasy fangatahana nataon’ny mpisolovavany moa dia tratran’ilay antsoina hoe “angiographie célébrale” ity mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha ity ka mila tsaboina any ivelany. Eo aloha dia efa misy ny tsy mazava ho an’ireo mpanara-baovao satria raha ny fantatra dia misy toeram-pitsaboina iray tsy miankina eto Andrenivohitra no afaka mitsabo an’io aretina io. Fantatra ihany koa fa ny alahady alina, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any, no tonga tetsy amin’ny hôpitaly HJRA ny minisitry ny Fitsarana Charles Andriamiseza, ny profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo  nanomana an’izay fandefasana any ivelany maika (évacuation d’urgence) an’ity mpanolotsaina manokan’ny filoha ity. Mazava ho azy fa ireto minisitra roa ireto no nanome alàlana ary nanamora ny dingana rehetra tamin’izao fandefasana an’i Claudine Razaimamonjy any ivelany izao.

Raha ny fantatra dia nanaraka azy tao anatin’io fiaramanidina manokana an’ny kaompania MTA io ny mpitsabo iray antsoina hoe Andry Ratsimbazafy sy ny mpiambina fonja iray, Rakotomalala Soloniaina Maria, ary ny ny loholona sady filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Riana Andriamandavy VII. Ity farany izay marihana ihany fa havana akaiky dia akaiky an’ity mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ity ihany ary tany amboalohany dia efa niady mafy mba hamotsorana ny havany. Ho an’ny ankamaroan’ny olom-pirenena izay manaraka tsy tapaka an’ity raharaha ity dia tetika maloto nentin’ny fitondrana HVM nampandosirana an’i Claudine Razaimamonjy izao nandefasana azy atsy amin’ny Nosy Maorisy izao hialàna amin’ny fanenjahan’ny fitsarana azy. Ny antony, misy ny mpitsabo Malagasy afaka mitsabo an’ity hoe “angiographie célébrale” ity kanefa dia navoaka any ivelany ny voampanga izay tokony ho tanana vonjy maika eny Antanimora. Manoloana izany rehetra izany dia tonga teny amin’ny HJRA, nanamarina ny vaovao nivoaka ny SMM na ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara izay notarihin’ny filohany, Ernaivo Fanny. Tamin’io fotoana io no nahafantarana, araka ny fanazavana azon’ny SMM, fa tany amin’ny 3 ora sy sasany maraina no niala tao an-toerana i Claudine Razaimamonjy. Toe-javatra izay mampametra-panontaniana raha ny nambaran’ny filohan’ny SMM.  Nilaza ny tsy hipetra-potsiny moa ny sendika fa hanara-maso akaiky an’izao raharaha izao satria nisy ny didy navoakan’ny fitsarana manokana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly na ny “Chaîne penale anti-corruption” izay mampigadra an’ity vehivavy mpandraharaha ity any am-ponja. Marihana fa tsy afa-po tamin’ireo antontan-taratasy manome alàlana ny fandefasana an’i Claudine Razaimamonjy any ivelany izay naseho azy ireo ny SMM tamin’io fotoana io ka nitaky ny tokony hanomezana azy ireo ny antontan-taratasy feno, izay manamarina fa tsy maintsy nalefa notsaboina any ampitan-dranomasina tokoa ny voampanga. Raha izay ny zava-misy hatramin’ny omaly dia miandry ankehitriny ny olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanara-baovao amin’ny mety ho tohin’ity raharaha iray ity. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: “Mbola ho averina eto an-tanindrazana ve i ramatoa Claudine Razaimamonjy mba ahafahan’ny fitsarana Malagasy manohy ny famotorana azy sa efa naman’ny tafatsoaka any ivelan’i Madagasikara ka tsy azo samborina intsony?” Raha izay mantsy ny zavatra hitranga dia mety tsy afaka hiditra eto Madagasikara intsony ity mpandraharaha sady mpanolotsaina manokan’ny filoha ity.

                                                                                                  F.Tsihiavonana

Ministeran’ny Filaminam-bahoaka: Hampiditra mpianatra pôlisy miisa 1150

Ho fampitomboana ny isan’ny pôlisim-pirenena dia nanapa-kevitra ny eo anivon’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka fa hotanterahina ny 15 sy 16 jolay ho avy izao ny fanadinana fifaninanana hidirana ho mpianatra pôlisy.

Mahatratra 1150 no isan’ireo horaisina amin’ity taona ity izay mitsinjara ho toy izao, kaomisera miisa 20, ofisien’ny pôlisy miisa 30, inspektera miisa 100 ary Agent miisa 1000.

Ny fisoratana anarana ho an’ireo izay vonona hiditra mpianatra pôlisy dia efa misokatra, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 10 jona 2017.

Toerana maro eto amin’ny Nosy no hanaovana ny fifaninanana, Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Antsirabe, Sambava, Ambositra, Morondava, Toamasina, Mahajanga, Manakara, Ambatondrazaka ary Antsohihy. Koa ho an’ireo izay mila fanazavana fanampiny dia afaka manantona ny sampan-draharahan’ny pôlisim-pirenena akaiky azy na mijery ny tranokalan’ny pôlisy www.police nationale.gov.mg.

Commentaires   

0 #2 FIAREMA 13-04-2017 05:49
Zaho indray manolotra soso-kevitra ho anareo mpanao gazety ny amin’ny anaran’ilay aretina nahazo an’i Claudine Razaimamonjy: “DYSTONIE NEURO-CORRUPTIVE” na “CRISE CORRUPTIVE”. Mankasitraka eee
Citer
0 #1 FIAREMA 13-04-2017 05:37
Angiographie cerebrale: c’est un examen paraclinique qui permette de détecté la présence ou non d’une atteinte des vaisseaux au niveau du cerveau (cerbral).
Donc, Angiographie cerebrale,c’est pas une maladie mais c’est un examen
Citer

Ajouter un Commentaire