HOTEL A&C: Nogiazan’ny fanjakana
Tamin’ny asabotsy sy alahadin’ny paska 2017 teo no notanterahan’ny fanjakana ny fanagiazana ny hôtely lehibe mitondra ny refy kintana efatra izay an-dramatoa Razaimamonjy Claudine etsy Ivato. Ny alahady 16 aprily 2017 tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro vao vita izany fanagiazana izany. Izao fanakatonana sy tsy famelana olona hiditra sy hivoaka ao amin’ity hôtely ity izao dia noho ny raharaha izay nahazo azy tamin’ny faha 3 aprily 2017 lasa teo ka nisamboran’ny Bianco (Birao manokana mahaleo tena miady amin’ny kolikoly) ka nandefasan’ny fitsarana azy ho fonjaina vonjy maika eny Antanimora nefa nalefa nitsabo tena any Maorisy. Vola manapitrisa maro no voalaza fa anenjehan’ny fanjakana azy amin’izany raha ny fitoriana maro izay miandry azy. Misy ny efa nahavitana fanadihadiana ary mbola misy koa ny mbola hanaovana famotorana. Mihamipoitra tsikelikely anefa ny raharaha rehetra nafenina noho ny fanararaom-pahefana sy ny kolikoly avo lenta ataon’ity ramatoa ity.
Raha ny zava-misy dia maro no mpiray tsikombakomba tamin-dramatoa Razaimamonjy Claudine amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana sy kolikoly avolenta toa izao. Hatrany Iavoloha sy ny ministera ary andrim-panjakana maro no niaraka taminy tamin’izany. Manamboninahitra mpitondra fanjakana ambony maro no tokony hanaovana fanadihadiana amin’izao kolikoly avolenta sy fanodinkodinana volam-bahoaka izao. Tsy azo inoana fa nandeha irery izy tamin’izany fa tsy maintsy nisy ny mpiray tetika taminy. Tsy rariny loatra raha toa ka mijanona amin’ny fisamborana an-dramatoa Claudine ihany ity raharaha ity fa tokony ho samborina avokoa ireo izay niaraka taminy tamin’izany. Ny vahoaka Malagasy manontolo sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no mitovy hevitra amin’izany.
Miandry izay ho tohin’ity raharaha ity ny rehetra. Hatraiza ny fampodiana an’i Claudine Razaimamonjy amin’izao fotoana izao? Inona no andraikitra noraisin’ny fanjakana eo anatrehan’izany? Nahoana no tsy miteny mihitsy ny eny Iavoloha manoloana ity raharaha ity?
Raha tiana ny hisian’ny fifampitokisana amin’ny fanjakana sy ny vahoaka dia tokony hitohy ny raharaha toa itony ka hiafara amin’ny fahalalana ny marina rehetra. Ny mpangalatra akoho, mpanao halabotry ny mpangaro-paosy noho ny fahantrana no migadra eto Madagasikara, fa ireo mpanam-bola sy mpitondra ambony mangalatra sy mihinana ny volam-panjakana dia saika afaka avokoa amin’ny zavatra ataony. Izy ireny anefa no tena fototr’izao fahantrana mahazo ny firenena izao.
Tsy mbola tamin’izao fanjakana izao ihany no voalaza fa nanaovan’ity ramatoa Claudine ity fanodinkodinana volam-bahoaka sy kolikoly avo lenta toa izao fa efa hatrany amin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana Marc. Tsy izy irery koa anefa no nanao izany fa mpandraharaha maro sy mpiasam-panjakana ambony maro. Mitaky izany ny vahoaka ankehitriny satria izany no fototra ny fahantrana mahazo ny vahoaka amin’izao fotoana izao.
JB