Ambatofinandrahana: Rava ny fivavahana tamin’ny Paska noho ny dahalo
Tamin’ny alahady 16 aprily 2017 lasa teo, tao anatin’ny fankalazana ny Paska indrindra no notafihin’ny dahalo ny tanàna tao Andraikita miala 8 km ao avaratr’Ambatofinandrahana. Tamin’ny 8 ora maraina no nipoitra avy any antendrombohitra ny dahalo miisa hatrany amin’ny 200 lahy. Nahorony avokoa ny omby rehetra izay navoakan’ny olona tao am-bala ka nalefa hamonjy kijana. Miisa 100 no omby lasan’izy ireo tamin’izany. Lasan’ny dahalo avokoa ny omby tao amin’ity tanàna ity. Tsy afa-nanoatra ny fokonolona fa dia nanaiky izay nataon’ireto dahalo ireto. Mbola nisy nasainy nahandro sakafo ho azy ny tao an-tanàna, avy eo dia nalainy avokoa ny entana rehetra izay tiany. Soa ihany fa nisy afaka nandositra ka nilaza tamin’ny tanàna manodidina ny olona tao an-tanàna ka ny tao amin’ny fokontany Mandrovia, Antsahavory, Tatamo, Andoharano, Vinany ary Ambohimiarina dia rava tanteraka ny fivavahana tany ampiangonana. Tamin’ny 10 ora no tonga teny an-toerana ny zandary 11 lahy avy any Ambatofinandrahana.
Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina no nanomboka ny fifanjevoana ka tsy nijanona izany raha tsy alina ny andro. Voatery miato anefa ny fokonolona rehefa tena mifanakaiky amin’ny dahalo izy ireo satria tsy mitovy ny fitaovam-piadiana. Nentin’ireo dahalo nihazo an’i Mangataboahangy ny omby. Voatery nitsahatra ny fifanafihana tamin’io alina io rehefa tonga tao amin’ny tanàna antsoina hoe Manangalia ny fifanenjehana. Mbola tsy nisy poabasy toa izany hoy ireo olona nanatrika. Hatramin’izao dia mbola miady ny fokonolona sy ny dahalo ary ny zandary.
Tsy ny tao Ambatofinandrahana tao Andraikita ihany nefa no nisy fanafihana dahalo fa tany Vohibasiana tao Fasimena Ambondromisotra koa. Lasan’ny dahalo ny omby 9. Mbola any amin’ny làlan’ny dahalo teo aloha ihany no ifampitadiavana amin’izao fotoana izao.
Tsy tsara ho an’ny vahoaka tany Ambatofinandrahana ny fankalazana ny Paska tamin’ity taona 2017 ity noho ny asan-dahalo nandritra ny fety. Marihina fa tao anatin’ny telo volana izao dia tsy mijanona fa tetezin’ny dahalo ny fokontany rehetra ao Ambatofinandrahana. Maro ny olona maty ary tsy tenenina intsony ny omby very. Tsy hita ny tena fiarovana ataon’ny fanjakana eo anatrehan’izany.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao