Raharaha Claudine : vola 180 miliara no fototra ny ady tamin’Iavoloha
Tsy mitsahatra mivoatra ny raharaha Claudine Razaimamonjy hatramin’izao. Miseho tsikelikely avokoa ny zavatra nafenina amin’ny fanararaotam-pahefana nataony sy ny olona ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mpandraharaha momba ny vato mahalala tsara ny zava-misy any Ilakaka no mamoaka ny heviny amin’iny raharaha fisamborana an’i Claudine Razaimamonjy iny ny faha 3 aprily 2017 lasa teo. Ankoatra ny fandraharahana momban’ny asa fanorenana sy ny asa fanamboaran-dàlana ary ny fampitaovana ny biraom-panjakana izay nataony ampihimamba, dia nilatsaka any amin’ny resaka fitrandrahana vatosoa koa ity ramatoa ity tamin’iny taona 2016 iny. Voatery niova fihetsika izy hatramin’ny raharaha Ambohimahamasina iny izay niarahany tamin’ny minisitra ny Atitany, ka isan’ny nanaovana fanadihadiana azy teny amin’ny Bianco farany teo, ary mbola hanaovana fanadihadiana koa amin’ny raharaha hafa.
Miara-miasa amin’ny orin’asa sinoa indray ity ramatoa ity amin’izao fotoana izao, ka izany orinasa Gondwana izany no miaraka aminy amin’ny fitrandrahana vatosoa. Mitrandraka vatosoa « saphir » ao Ampandramitsivalana ao Ilakaka izy. Toerana tokony ho 1 km miala an’Ilakaka no misy ity fitrandrahany ity. Nesorin’izy ireo ankeriny tamin’ny toerany ireo mponina teo ka nanaovany didin’ny besandry ny tany raha ny loharanom-baovao hatrany. Niadiany tamin’ny mpandraharaha hafa mihitsy raha ny voalaza ny fakana ity toerana ity. Voatery nandefitra ireo orinasa hafa noho izany, na dia efa nahavita ny fifampiraharahana talohany aza.
Voalaza fa isan’ny toerana be vato “saphir” ao Ilakaka ity toerana ity satria vita tilin’ny Sinoa hono ny harena ao aminy. Fiara fitrandrahana vato ngezabe ireny sy arifomba no mitrandraka ao Ampandramitsivalana ao Ilakaka amin’izao fotoana izao.
Tamin’ny volana febroary 2017 teo dia namokatra ity kariera ity ka nahatratra 180 miliara iraimbilanja no tontalim-bidin’ny vato azo, izay anjaran-dramatoa Claudine Razaimamonjy tamin’izany. Raha ny loharanom-baovao azonay dia misy olona izay miara-miasa aminy amin’ity raharaha ity eny Iavoloha. Rehefa azo nefa izany vola izany dia 1 miliara 500 tapitrisa iraimbilanja ihany no naterin-dramatoa Claudine Razaimamonjy teny Iavoloha amin’ilay olona mpiara-miasa aminy io ka nahatezitra azy, ka iny nampisamboriny iny ity ramatoa ity.
Tezitra hono ity olona ity ka iny niafara tamin’ny fanamafisana ny fisamborana azy ny raharaha. Voalaza fa misy senatera iray koa miara-miasa aminy amin’ity raharaha ity.
Tsy faly tamin’ny vola azony koa ny “gros bras” sasantsasany tao Fianarantsoa izay nampiasan-dramatoa Claudine tany amin’ity kariera ity niarahany tamin’ireo Sinoa ireo satria voalaza ny loharanom-baovao fa 300 tapitrisa iraimbilanja ihany no nomena azy ireo. Izany vola izany dia tsy nifanaraka tamin’ny fifanarahana tany amboalohany koa.
Amin’izao fotoana izao dia niteraka korontana tamin’ny mpiara-miasa amin’i Claudine ao Fianarantsoa koa ity raharaha ity. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny mpanaraka ny raharaha dia ny fitohizan’ity fitrandrahana ity amin’izao nahavoasambotra an’i Claudine izao. Iza indray no halefan’ilay olona eny Iavoloha hanohy ny fitrandrahana ao Ilakaka?
Raharaha iray hafa koa izy ity ka ho hitantsika eo ihany ny tohiny satria isan’ny be mpanaraka ihany koa. Iza ireo olona niray tsikombakomba aminy amin’izany ao amin’ny fitondram-panjakana io?
JB
Commentaires
due to its feature contents.
Feel free to visit my web site; foot care (dan9wilkinson17.jimdo.com: http://dan9wilkinson17.jimdo.com/)
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.