Ananomora Betroka : dahalo 70 lahy nanafika tanàna
Mbola manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betroka. Porofon’izany ity fanafihana nitranga tamin’ny sabotsy teo. Dahalo manodidina ny 70 isa teo no nanafika ny tanàna tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ananomora, 5 kilometatra tsy hidirana ao amin’ny tanànan’i Betroka, tamin’ny sasak’alina. Araka ny vaovao nampitain’ny ben’ny tanàna ao an-toerana dia tsy nahazo omby ireto dahalo nanafika ireto tamin’io fotoana io ka naka olona iray natao takalon’aina ary nitaky vola 2.550.000 ariary tamin’ny fianakaviany. Raha ny fantatra dia efa votsotra ny alahady hariva ihany ity natao takalon’aina ity rehefa voaloa ny vola notakian’ireo dahalo. Fa tetsy ankilan’izay, tamin’io andron’ny sabotsy io ihany tao amin’ity kaominina ity dia renim-pianakaviana iray no maty nisy nitifitra. Mpitanty rakitra tao amin’ny fiangonana katôlika ao an-toerana ary avy namonjy ny sabotsy masina tao amin’ny fiangonana katolika tao an-toerana ity renim-pianakaviana ity no nisy olona nitifitra teny an-dalana rehefa saika hamonjy ny tokatranony. Tsy fantatra moa ny anton’izay fitifirana izay fa raha ny filazan’ny ben’ny tanàna dia famonoan’olona ankitsirano no nitranga. Efa eo am-panaovana fanadihadiana moa ny zandary any an-toerana amin’izao fotoana izao.
F.Tsihiavonana
Lozam-pifamoivoizana tany Analavory: Vehivavy iray maty tsy tra-drano, nipotsaka ny atidohany
Tsy hilaozan’ny lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena rehefa fetin’ny Paska. Omaly alatsinain’ny Paska, vehivavy tanora iray no maty tsy tra-drano tamina lozam-pifamoivoizana iray niseho tany Analavory, faritr’Itasy. Nandeha fiara 4×4 niaraka tamin’ny fianakaviany izay avy nitsangantsangana tany Ampefy ity vehivavy ity izao niharan-doza. Potika tanteraka moa ny lohany ary nipotsaka hatramin’ny atidohany izay niparitaka tao anaty fiara. Naratra mafy kosa ireo olon-kafa tao anatin’ny fiara izay nentina tsaboina any amin’ny hôpitaly. Marihina fa mialohan’ny hidirana ny tanàna an’Analavory, raha toa ka miankandrefana amin’iny lalam-pirenena voalohany iny dia misy ny lalàna mahitsy izay mirefy kilometatra maromaro. Matetika mandeha mafy ireo fiara mandeha amin’izany lalana izany, indrindra fa ireo mpitsangantsangana avy any Ampefy ka hody aty Antananarivo. Na maro aza ny zandary miasa amin’ny lalam-pirenena rehefa tonga ny alatsinain’ny Paska dia tsy voafehy zato isan-jato ny fifamoivoizan’ireo fiara mpitsangantsangana.
F.Tsihiavonana