Pôlitika maloto avo lenta: Handeha i Voahangy fa nogejaina eny Iavoloha kosa i Matthieu

Misamboaravoara be mihitsy ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny amin’izao fotoana, indrindra fa hatramin’iny nipoiran’ny raharaha Razaimamonjy Claudine iny.

Ny akom-baovao iray mantsy, ohatra, dia  toa nitetika tanjona ambonimbony mihitsy i Claudine Razaimamonjy sy ny eny Mahazoarivo, ka ren’Iavoloha, dia ny an’ity farany no nataony tonga aloha. Dia iny tsy afa-bela iny i Claudine Razaimamonjy aloha hatreto.

Ny Praiminisitra indray dia toa teren’Iavoloha hisintaka amin’izay kosa satria nalazo sahady tokoa ny ravina niaraha-nihinana. Omaly tolakandro manontolo, hatramin’ny mamanton’alina dia mbola henjana ny ady hevitra teny Iavoloha teny, hoy ny akom-baovao, ary tsy navela hiala teny mihitsy i Mahafaly Olivier raha tsy manaiky ny sitrapon’ny filoha. Eto ampanoratana aloha izahay dia tsy mbola nandre ny akon’ity raharaha iray ity na inona io sitra-pon’ny filoha io na inona, ary tsy fantatra koa na tojo amin’ny niriany izy na mbola mifanenjana. Toy ny tranga faha-Kolo Roger sy Ravelonarivo Jean ihany e ! Misasak’alina no navoaka ny fanapahan-kevitra ( ?).

Etsy ankilany, hanainga hiala eto an-tanindrazana i Voahangy Rajaonarimampianina aorian’ny zoma hoavy izao, araka ny vaovao azo. Re fa toa nisy fifanolanana indray teo amin’izy roa. Ity vadin’ny filoha ankehitriny (Première Dame) ity moa isaka ny mifanolana amin’ny andefimandriny ao an-dapa ao dia mandeha misintaka. Tsy mody any amin’ny ray aman-dreniny anefa izy fa any ampitan’ny ranomasina. Indraindray atsy amin’ny Nosy Maorisy ary matetika no any Frantsa.

Voatery mampody vady ny filoha andro vitsy aoriana, araka ny foto-dalàna malagasy, ka indraindray dia mandeha miampita ranomasina maka an-dramatoa mihitsy.

Asa aloha fa mahoraka koa ny fisian’ny olona mahavariana an-dramatoa any ampita any.

Etsy ankilany, isan’ny fitondram-panjakana nahitana taratra ny fidiran’ny fianakavian’ny filoha  lalina amin’ny raharaham-pirenena koa ny amin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao. Heverina fa tsaroantsika raha vao tonga teo amin’ny fitondrana i Hery Rajaoanri-

mampianina tamin’ny 2014 ka nahazo fankatoavana ny ho fivahiniany any amin’ny ray Masina any Vatikanina, dia fianakaviana iray manontolo hatramin’ny mpitaiza zaza no nentiny tany, ary niteraka ady hevitra be teto amin’ny tany sy ny firenena.

Nahoraka sy nalaza ny fizahozahoana miharo fanararaotana ny fahefan’Iavoloha amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany nataon’ny zanany lahy (Matthieu Rakotoarimanana), toy ny raharahan’Anjozorobe, ny raharaha tany Bangkok, ny nahavoatonona ny anabaviny na rahalahiny amin’ny toeram-pitrandrahana vato…

Ankehitriny dia fantatra fa toa isan’ny voarohirohy amin’ny raharahan-keloka hafa manana endrika kolikoly i Matthieu ka karohin’ny Bianco. Dia giazana eny Iavoloha izy nanomboka omaly mba tsy hahafahan’ny Bianco misambotra azy.

Dia manara-maso ny fivoarany isika e !

 

Ambatofinandrahana: Nisy olona maty voadonan’ny fiaran’ny zandary

Tamin’ny asabotsy faha 15 aprily 2017 lasa teo dia voadonan’ny fiara 4×4 an’ny zandary avy ao Ambositra izay tonga tany Ambato-

finandrahana ny tovolahy iray. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’izany loza izany. Tsy niandry teo amin’ny toerana nisy ny loza akory ity fiaran’ny zandary ity rehefa avy nanao izao loza izao. Vory ny olona noho ny fisian’ny loza. Nentina haingana teny amin’ny hôpitaly ilay voadona satria tsy nahatsiaro tena. Fantatra fa zanaka ny mpiasan’ny TEFISO (Sekoly teknika fianaran’asa) ao Ambatofinandrahana antsoina hoe Mamy ity tovolahy ity. Nentina tany Antsirabe ity tovolahy ity noho ny ratra nahazo azy satria tsy vita tao Ambatofinandrahana sy tao Ambositra ny fahavoazana. Tonga tany amin’ny hôpitaly tao Antsirabe dia maty ity tovolahy ity omaly alatsinainy faha 18 aprily 2017.

Miteraka resabe ao Ambatofinandrahana ny raharaha ankehitriny. Tsy io ihany fa ny raharahan’ny zandary sy ny asan-dahalo koa. Marihina fa efa nangataka ny hanoloana ny lehiben’ny kaompania ao Ambatofinandrahana sy ny zandary maromaro koa ny vahoaka ny herinandro lasa teo satria heverin’ny mponina any an-toerana fa tsy mahavita ny andraikitra maha zandary azy izy ireo, ary nisy aza ny miahiahy fa mifandray amin’ny dahalo izy ireo.

Raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia olona manao “kalony” indray no nenjehin’ireo zandary tao amin’ny fokontany Ambinda omaly alatsinainy faha 18 aprily tamin’ny 4ora tolakandro.

Raha ny mahakasika ny olana amin’ny fokonolona sy ny vahoaka ao Ambatofinandrahana dia in-droa izao ny zandary no namono olona tsy manan-tsiny tao anatin’ny iray taona. Ny iray farany dia ilay mpampianatra tao amin-dry Masera izay maty noho ny daroka nahazo azy teny an-dàlana.

Marihina fa mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo ao Ambatofinandrahana amin’izao fotoana izao. Tsy hitan’ny vahoaka intsony ny hatao satria efa ny dahalo no mifehy ny tànana ankehitriny. Toa tsy afa-mihetsika ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’izy ireo.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire