Pôlitika: Tena tian’ny Malagasy i Hery Rajaonarimampianina !

Leo ny fanonganam-panjakana ny vahoaka Malagasy ka tsy tia filatsahana an-dàlam-be intsony. Na dia hita aza fa tsy zakan’ny aina intsony ny raharaham-pirenena fa nihoatra lavitra ny fampijaliana nataon’ny mpanjana-tany dia nandefitra ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy nahitany voka-tsoa ny fanovana rafitra sy ny fanonganana filoham-pirenena hatramin’izay. Leo tanteraka fandravana fanjakana ny vahoaka Malagasy.

Raha hotsiahivina fohifohy ny tantara nisy teto Madagasikara nanomboka ny fahazoana ny fahaleovan-tena ka hatramin’izao fotoana izao, izay mahakasika ny ady tamin’ny saribakolin’ny mpanjana-tany amin’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny natao tamin’ny vahoaka Malagasy, dia manamafy izany fa leo tanteraka ny fanonganam-panjakana ny vahoaka ankehitriny.

Ny taona 1972, raha nahatsapa ny mpianatra ho mpiofana mpitsabo tao amin’ny “Ecole de médicine” tao Befelatanana teto Antananarivo fa tsy mitovy zo ny mpiofana amin’ny sekoly roa teto Madagasikara, dia nitarika ny faharavan’ny fanjakan’ingahy Philibert Tsiranana izany. Nanampy azy ireo ny mpianatrin’ny oniversite sy ny mpianatra tamin’ny Lycée teto andrenivohitra. Rava noho izany ny fanjakana satria tsy nifanaraka tamin’ny filan’ny fampandrosoana tamin’izany fotoana izany ny fomba nentin’ny fanjakana nitantanana ny fanabeazana sy ny fampianarana teto Madagasikara. Marihina fa tsy nisy resaka fanodinkodinana volam-bahoaka izany na kolikoly na fanamparam-pahefana nataon’ny mpitondra, fa resaka zo, hasina, tetika, foto-kevitra izay tsy nifanaraka tamin’ny toe-tsaina ny Malagasy maro ary ady tamin’ny fanjanahan-tany ankolaka no tsy neken’ny vahoaka ka nampitroatra azy.

Ny taona 1991, dia nanongana fanjakana koa ny Malagasy satria mbola resaka foto-kevitra (sosialista) izay rafitra nentina nitondran’ingahy Rasiraka Didier an’i Madagasikara no olana teto, ka nisy indray ireo olona izay nanana fijery hafa sy foto-kevitra hafa noho izany. Nisy aza no mbola nahatsiaro ny tongolon’i Egypta ka nilaza mbola hiverina tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany sy ny andro ny fanjanahan-tany koa tamin’izany fotoana izany.

Tsy mba halatra na fanodinkodinana volam-panjakana, na kolikoly avo lenta sy risoriso no olana tamin’izany toa ny misy amin’izao fotoana izao, dia nilahatra nanongana ny filoham-pirenena sy ny mpomba azy ny vahoaka mpanohitra sy ny mpanao pôlitika tamin’izany.

Ny taona 1996 dia naongan’ny depiote ingahy Zafy Albert izay filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany, ka nampian’ny mpanohitra koa. Tsy nangalatra na nanodinkodina volam-panjakana, na koa nanao kolikoly sy kiantranoantrano ity filoham-pirenena ity, fa ny fitetezany an’i Madagasikara tany ambanivohitra rehetra tany, izay nantsoina hoe “Mada raid” no nanonganana azy. Tamin’izany fotoana izany dia nitety ny tambanivohitra izy ka naharitra hatrany amin’ny roa na telo volana ny diany vao tafaverina teto Antananarivo izy. Izay no nampiongana azy teo amin’ny fitondrany.

Ny taona 2001 dia natao izay hanonganana an’i Ratsiraka Didier satria hono ela loatra teo amin’ny fitondrana ka aleo indray mba miova fa tsy izy irery no tokony hitondra ny firenena. Dia nampidirina nampanaovina amboletra ingahy Ravalomanana Marc, ka na tsy nahazo fandresena tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany aza ny taona 2001, dia noteren’ny vahoakan’Antananarivo fa “1er tour  dia vita”, ka nampandresena ingahy Ravalomanana rehefa nisy ady tamin’ny mpomba ny roa tonta.

Ny taona 2009 indray dia naongan’ingahy Andry Nirina Rajoelina sy ny olona mpomba azy koa ingahy Ravalomanana Marc. Tamin’ity indray dia fanamparam-pahefana, fanodinkodinana volam-bahoaka tany amin’ny banky foibe maro teto Madagasikara, fanaovana didy jadona, ary famonoana olona sy fanagadrana olona tsy an-drariny no isan’ny nanesoran’ny olona azy. Ny fandikan-dalàna tsy tenenina intsony. Isan’ny ny tsy tantin’ny Malagasy manontolo ny fivarotana an’i Madagasikata tamin’ny orinasa mpitrandraka vahiny izay efa namaritra ny tany maro teto Madagasikara ka isan’izany ny “Daewoo Corporation”.

Amin’izao repoblika fahefatra nanomboka ny taona 2014, izay naha filoham-pirenena an’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao dia niakatra 98% ny Malagasy nahantra, ny kolikoly avo lenta ao anatin’ny fitondram-panjakana ataon’ny mpitondra ambony maro efa tsy hay tetenina intsony. Izay manam-bola sy manana havana ambony ihany no afaka fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana. Novidim-bola ny fahafahana fanadinana ankehitriny, fa tsy nisy nilana intsony ny fahaizana. Ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko any ivelany (andramena, volamena vatosoa, biby) ataon’ny olona ambony ao amin’ny fitondrana sy ny mpiara-miasa aminy dia mbola tsy nisy toa izao. Tsy hay nafenina intsony ny fanodinkodinana volam-panjakana, ka hatramin’ny olona tsy mpiasam-panjakana no maka ny vola any amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’izao fotoana izao toa ny ataon-dramatoa Claudine Razaimamonjy. Ny mpangalatra sy ny dahalo no mahazo vahana eto amin’ny firenena. Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tànana ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena. Tsy ho tenenina intsony ny mahakasika ny tsy fananana foto-kevitra hitondrana ny tanindrazana, fa avy amin’ny fitenenana hoe “samy mandeha samy mitady”. Very tanteraka noho izany ny fiandrianan-pirenena ka toa ny tany tsy misy olona aty hoy ny hira, ary tsy misy mpitondra fanjakana koa.

Izany rehetra izany no eken’ny Malagasy ankehitriny. Tena fitiavana lehibe manokana an’ingahy Rajaonarimampianina izany, satria tsy misy sahy mikitikitika azy ny vahoaka fa nanaiky izao fahantrana mihoa-panmpana eto amin’ny firenena izao. Niova tanteraka ny fomban’ny Malagasy fa raha mandinika ny nampiongana ireo olona teo aloha ireo dia mbola azo noleferina ny zavatra nisy tamin’izany fotoana izany noho ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire