Nodimandry ny Dr Rakotoarimanana Voahirana: Namoy olo-manga iray indray i Madagasikara

Nodimandry tany Parisy Frantsa ny alarobia teo ny Dr Rakotoarimanana Voahirana. Dokotera mpitsabo izy, ary nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy Fiaviana (Association des Etudiants d’Origine Malagasy = AEOM) tany Frantsa fony mbola mpianatra sy taoriana kelin’izany izy. Taty aoriana moa dia dokotera teo anivon’ny “Médecins Sans Frontière” izy.

Eo amin’ny foto-kevitra ijoroany dia ambara mivantana fa isan’ny mpitolona ankavia i Voahirana Rakotoarimanana ary resy lahatra tanteraka tamin’ny hevitra nijoroany sy niainany ary nanabeazany sy nifampizarany tamin’ny mpiara-belona taminy izy. Tsy mahadiso anay koa ny milaza fa “olo-marina” izy, ary tena olo-mangan’ny firenena.

Tsy fantatra loatra eo anivon’ny sehatra pôlitika toa ny olona kalaza na miezaka ho kalaza izy fa nanana fanetren-tena sy tsy tia sehoseho, nefa mahomby matetika ary misongadina ny asa vitany sy ny hevitra aposany.

Tsy vitsy ny hevitra pôlitika entin’ny sokajin’olona TENA TIA TANINDRAZANA no nivoaka avy amin’i Voahirana Rakotoarimanana. Isan’ny nahasarotiny azy koa ny fanajana ny teny malagasy. Mankafy sady mpiaro ny kolotsaina mbamin’ny soatoaviana malagasy koa i Voahirana Rakotoarimanana.

Manana talenta amin’ny fanoratana tononkalo koa izy, izay matetika dia tononkalom-pitiavan-tanindrazana, ka i “Fara Mananjandry” no anarana isalorany amin’izany.

Isan’ny olona manana ny foto-kevitry ny fiarovana hatramin’ny farany ny fiandrianam-pirenena i Voahirana Rakotoarimanana, tsy mitapo-drano amin’ny tsy fiankinan-doha amin’ny vahiny.

Raha tsaroan’ny maro, tamin’ny taona 1974, faha-40 taonan’ny Fikambanana “Aeom” dia nisy ilay kapila navoakan’ny Fikambanana Aeom, izay nirakitra hiram-pitiavan-tanindrazana niisa 12, ka i Voahirana Rakotoarimanana no iray tamin’ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka azy iny, ary isan’ny nanana diam-penina sy feo tao amin’ny fandrafetana iny kapila iny. Isan’ny nalaza hatramin’izao tao anatin’izany ilay hoe “Aza misy miteniteny… fa hitsako tsy misy eo… hifanena amin’ny mpaka kitay”.

Maro ny fahatsiarovana mitamberina an-tsaina momba an’i Voahirana Rakotoarimanana, fa heverina ho mahafaoka be ireo navoitra ireo.

Ho fantatra miandalana moa, araka ny re avy amin’ny fianakaviany ny fandaharam-potoana rehetra momba ny fikarakarana azy.

Mandria ampiadanana “Fara”.

Ralaisoava

Comments are now closed for this entry