Fanoherana: Ho soavalian’ny TIM ny Mapar
Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia efa nanohitra ny fanaovana pôlitika tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny antoko Mapar (Miaraka amin’ny Prezidà Rajoelina). Tsy nifankahazo tamin’ny fitondrana HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) mihitsy ny Mapar hatramin’ny tsy fanendrena praiminisitra Mapar izay voalazan’ny Lalàmpanorenana fa tokony hakana izany olona izany. Tsy izay ihany fa mbola raharaha nanahirana teo amin’ny fifandraisan’ny Hvm sy ny Mapar koa ny fanesorana an-dRazanamahasoa Christine tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena koa, iray volana taorian’ny fahalaniany tamin’ny fifidianana azy tao Tsimbazaza. Tsy vitan’izany fa mbola azon’ny fampihorohoroana isan-karazany ny mpikambana tao amin’ny Mapar ka nosamborin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Mbola tsy hita hatramin’izao izay nanjavonan’ingahy Senatera Lylison na maty na velona noho ny fanenjehan’ny fanjakana azy.
Na tsy nitonona ho mpanohitra ny fanjakana aza ny antoko Mapar, dia mazava ho azy fa izy ireo no mpanohitra fanjakana voalohany amin’izao fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao. Izy ireto koa no isan’ny manana depiote be dia be ao amin’ny Antenimierampirenena. Nahitana ny fandraisan’ny Mapar mavitrika avokoa ny fihetsiketsehana rehetra fanoherana tao Tsimbazaza.
Taorian’ny fanambaranana nataon’ny antokon’i Hajo Andrianainarivelo izay filohan’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) volana vitsivitsy lasa izay fa hanohitra ity fanjakana ity izy ireo, dia nanao fanambarana koa ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara), izay tarihin’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny herinandro ity. Hanohitra indray ity antoko ity satria nalaina tao anatin’ny governemanta ingahy Roland Ravatomanga. Fanapahan-kevitra izay niteraka resabe satria mazava fa ny fanesorana tsy ho mpikambana ao anatin’ny governemanta intsony no naha mpanohitra. Mazava izany fa raha mbola notanana tao amin’ny toerany ingahy Roland Ravatomanga dia tsy nilatsaka ho mpanohitra i Ravalomanana Marc sy ny antoko TIM. Tena resaka seza izany no mibaiko ity antoko ity.
Nohararaotin’ingahy Ravalomanana Marc ny zava-misy pôlitika ankehitriny ka nivadihany ho mpanohitra indray. Tsy faly noho izany ny mpikambana Mapar. Mandeha dia mandeha ny ady hevitra eny amin’ny Antenimierampirenena fa tsy hiray petsapetsa amin’ingahy Ravalomanana Marc ny Mapar na inona na inona no hataony. Mandeha koa ny resaka ao Tsimbazaza fa misy mikotrika fitsipaham-pitokisana ao amin’ity andrim-panjakana ity amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy fa raha hisy tokoa izany dia handamoka satria tsy hety hiara-miasa ny Mapar sy ny Tim. Samy mibanjina ny fifidianana amin’ny taona 2018 avokoa izy roa tonta ireo. Samy milaza azy fa mahazaka ny Malagasy ka samy mampiseho hery sahady. Antoko roa nifanongana koa izy ireto ka tena tsy mifankahazo.
Ho hitantsika ny mety ho fisehon’ity raharaha ity. Sarotra dia sarotra tokoa ny hahitana an’i Andry Rajoelina sy ingahy Ravalomanana Marc hiray latabatra ka hifampizara mofomamy.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Commentaires