Fanasoketana mpitsara: Mandrahona ny hanao ampamoaka ny SMM

Mbola tsy mifarana ny raharaha Claudine Razaimamonjy ary ny ankamaroan’ny mpanara-baovao dia miandry ny mety ho fiafaran’ity raharaha ity. Tato anatin’ny herinandro mahery teo izay dia mivoatra isan’andro ny raharaha, tonga hatrany amin’ny fifanandrinana eo amin’ny holafitry ny mpisolovava sy ny sendikan’ny mpitsara. Toy ny mahazatra moa eto amin’ity firenena ity rehefa misy ny tranga toy izao, izany hoe raharaha iray ka mahavoakasika olom-panjakana na olona akaiky ny filoham-pirenena, dia misy hatrany ireo miezaka ny mamono afo na ihany koa manodina ny saim-bahoaka any amin’ny ady hevitra mivaona. Ny zava-misy tato anatin’ny herinandro vitsy, hatramin’ny nijoroan’ny Sendikan’ny mpitsara na ny SMM tao anatin’ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity, dia tsy vitsy ireo miezaka manasoketa ireo mpitsara lohandohany mpitarika eo anivon’ny SMM amin’ny alalan’ireny tambazotran-tserasera sosialy ireny na an-gazety. Raha nivahiny tamina fandaharana tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto Andrenivohitra ny filoha sy ny filoha lefitry ny sendikan’ny mpitsara omaly dia niresaka mikasika an’io fanaratsiana sy fanosoram-potaka azy ireo io. Manoloana izany indrindra dia nampitandrina ireo tompon’andraikitra amin’izany fanasoketana mpitsara izany ny filohan’ny SMM, Fanirisoa Erinaivo. Ity farany izay nilaza mazava ary tamin’ny fomba mivantana fa efa fantatra ankehitriny ireo olona ao ambadik’izany ka raha mbola mitohy ny fanaratsiana sy ny filazana vaovao tsy marina momba azy ireo dia hanao ampamoaka ny sendika. “Efa fantatray tsara daholo ireo olona miezaka ny manoso-potaka anay mpitarika ny sendika ka ho avy ihany koa ny fotoana hamoahanay ampahibemaso ny anaran’ireo olona ireo. Tsy vitan’izany ihany fa nisy koa ireo olona izay nambitamby vola anay mpitsara mba hangina manoloana ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity. Azo raisina ho fikasàna hanao kolikoly anefa izany ka azo enjehana araka ny lalàna”, hoy i Fanirisoa Erinaivo, filohan’ny SMM. Mbola nanamafy hatrany ity mpitsara ity fa tsy hihemotra amin’izao fitakiana ny tany tan-dalàna sy fahaleovan-tenan’ny fitsarana izao ny sendika na inon-kidona na inon-kitranga.

F.Tsihiavonana

Commentaires

0 #1 mpisolovava 08-05-2017 20:52
efa flagrant delit de corruption anie zany fanambazana vola izany ka maninona no tsy enjehina avy hatrany fa mbola ambanana ampamoaka fotsiny… mazava izao ny fomba fiasan’ireto mpitsara ireto

Comments are now closed for this entry