Riana Andriamandavy-VII: Hatao famotorana any amin’ny zandary

Fantatra izao fa misy ny fitoriana nataon’ny SMM na ny sendikan’ny mpitsara Malagasy an’ingahy Riana Andriamandavy-VII izay filoha lefitra ny Antenimierandoholona avy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Raha ny loharanom-baovao azonay ato amin’ny La Gazette de la Grande Ile dia tonga eny amin’ny zandary ny fitoriana ity loholona ity. Nandeha dia nandeha tokoa ny resaka teo aloha teo fa maromaro ny fihetsika nataon’ity loholona ity nitarihany olona ka niteraka resabe teto amin’ny firenena noho ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Isan’ny be mpiresaka amin’izany ny mahakasika ny fitorahana ny trano fiasan’ny Bianco (Birao mahaleo tena amin’ny ady amin’ny kolikoly) teny Ambohibao tamin’ny fotoana nitanana an-dramatoa Claudine teny. Mbola manampy izany koa ny resaka fisakanana ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) tetsy Anosy andro vitsy lasa izay. Tsy fantatra marina ny tena fototra ny fitoriana fa vinavinaina ho ireo no anton’izany. Raha ny loharanom-baovao azonay hatrany dia milaza fa nahazo ny fankatoavan’ny Antenimierandoholona ny fahazoana manao famotorana azy.

Inona indray no mety ho vokatr’izany eo amin’ny tontolo pôlitika? Ny mpitsara mihitsy no mitory amin’ity raharaha ity ka ho hitantsika eo ny tohiny. Inona no hataon’ny HVM izay antoko misy azy eo anatrehan’izany? Andrasan’ny maro koa ny fihetsika ny filoham-pirenena, ingahy Hery Rajaonarimampianina.

JB

Comments are now closed for this entry