Atsimo Atsinanana : nanao loha-bary an-dasy momba ny asa
Tsy nataon’ny talem-paritra ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy mandalo fotsiny ny fankalazana ny fetin’ny asa fa misy ny loa-bary an-dasy notanterahana tamin’io andro io tao amin’ny lapan’ny Paroasy Fenoarivo Farafangana izay nitondra ny lohahevitra “dialogue social”. Tonga nanome voninahitra io loa-bary an-dasy io ny prefen’i Farafangana Narison Roch Leopold, ny talem-paritra ny fampandrosoana ny faritra Rabotoveloson Emile Fidelet. Nanotrona ireo mpanentana nahitana ny talem-paritry ny asam-panjakana ny asa sy ny lalàna sosialy Razafimahazoro Dimbi-nomenjanahary Delphin sy ireo lehiben’ny sampan-draharahan’ny “inspection de travail” Jean de Britto, sy ny fampiroboroboana ny asa sy ny mpiasa mandeha Elida ary ny talem-paritra ny Cnaps koa. Nafana tokoa ny adihevitra ary samy namoaka ny hetahetany ireo mpandray anjara izay nahitana mpivarotra, olon-tsotra, mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo avy amin’ny finoana mampiasa olona maro, ny mpampianatra sy mpianatra. Amin’ny ankapobeny dia mbola maro ny zon’ny mpiasa no tsy voahaja ka ilaina ny sehatra sahala amin’izao ahafahana mampafantatra ny zava-misy sy ny tsara ho fantatra. Ny mpikarakara dia nampahafantatra fa misokatra midanadana ny varavaran’ny “Inspection de travail” ka afaka manatona izay manana olana, na ireo hanao “visa” ny fifanarahana amin’ny asa “contrat de travail” na ny “visa” koa amin’ny tolotr’asa. Navahana tsara tamin’io koa ny andraikitra sahanin’ny ministeran’ny Asam-panjakana ny asa sy ny lalàna sosialy sy ny ministeran’ny Asa, fampiofanana teknika ary ny fanofanana arak’asa momba ny fampanana asa. Tao anatin’io fankalazana ny fetin’ny asa io koa moa dia nanao hetsika ny “sosialy” ny talem-paritra ny asam-panjakana, ny asa sy ny lalàna sosialy ka nikarakara alim-pandihizana izay nampitondraina ny anarana “bal de prestige” izay sady fitadiavam-bola no fanairana ny mpiasam-panjakana fa olombelona afaka mifaly, manana andraikitra ary tokony hijoro amin’ny maha izy azy na dia sarotra aza ny fiainana.
Morasata Marc