Raharaha Claudine: Minisitra sy PRMP maro hatao fanadihadiana
Manao toa ny sima misioka ny raharaha Claudine Razaimamonjy amin’izao fotoana izao. Raha ny loharanom-baovao maro-pototra azo dia misy minisitra maromaro no tafiditra ao anatin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy ity. Ireo minisitra ireo no manome baiko ny PRMP (personnel responsible du marché public) na ireo tale miandraikitra ny raharahan’ny asa ao amin’ny ministera iray. Tsy izy roa ireo ihany fa hatrany amin’ny vaomiera miandraikitra ny fanomezana ireny asa ireny no tafiditra ao anatin’ny raharaha ity satria dia ahitana firaisana amin’izany avokoa. Raha ny loharanom-baovao azonay dia efa nisy tamin’ireo PRMP ireny no efa natao famotorana teny amin’ny Bianco(birao mahaleon-tena amin’ny ady amin’ny kolikoly) tato ho ato. Tamin’izany no nilazan’izy ireny fa mahazo baiko avy any amin’ny minisitra izy fa tsy maintsy omena an’i Ramatoa Claudine Razaimamonjy ny asa hataony ao amin’ny ministera raha mbola te hijanona amin’ny toerana. Baikon’ny lehibe hoy izy ireo ka tsy afaka miala ny PRMP ireto. Hatrany amin’ny vaomiera ny fanomezana ny asa hoan’ny mpandraharaha ity no mahazo izany baiko izany avokoa. Fantatra fa misy ny mpandraharaha hafa izay efa nahazo ny tolotrasa dia tonga i ramatoa Claudine Razaimamonjy dia foanana indray ilay fifanarahana izay azon’izany orinasa izany ka omena ity ramatoa ity, toa ny tranga izay nisy tany Ambalavao volana vitsy lasa izay. Tsy ministera iray no nahitana izany hoy ny loharanom-baovao fa ministera maromaro.
Isan’ny sahiran-tsaina mafy koa amin’izao fotoana izao ny ben’ny tanàna maro manerana an’ny Nosy noho ity raharaha ity. Maro amin’izy ireny no voakasikin’ny raharaha ity satria namoaka vola hoan’ity ramatoa Claudine ity na ireo olona namany na dia tsy vita aza ny asa noho ny faneren’ny minisitra azy na ny olona ambony mifehy azy ireo.
Azo lazaina fa resabe fotsiny ihany raha toa ka mipetraka eo amin’i ramatoa Claudine Razaimamonjy ihany ity raharaha kolikoly avo lenta ity satria dia mazava hoazy fa tsy vitan’ity ramatoa ity irery izany fa tsy maintsy nisy olona ambony maro niaraka taminy. Ny fitazonana an’i Ramatoa Claudine ao amin’ny hopitaly HJRA etsy Anosy ve no sakana amin’ny tsy hanohizana ny famotorana ity ramatoa ity ka hahalalana ireo olona niray tsikombakomba taminy ireo? Fantatra fa olona ambony amin’ny fitondrana ankehitriny no manao izay tsy handehanan’ny fanohizana ny famotorana ankehitriny. Fanontaniana mipetraka amin’ny maro koa ny aretina mahazo ity ramatoa ity ka itazonana azy amin’ny hôpitaly izao na dia tokony higadra any Antanimora aza izy. Hatraiza no fisian’ny fiarovana ny olo-maloka eto Madagasikara sy ny tsy maty manota amin’izao raharaha izao. Tsy ahenoam-peo mihitsy ary milaza fa aleony mangina amin’ity raharaha ity. Inona no dikan’izany? Ho hitan-tsika ihany ny tohin’ity raharaha ity satria maro ny hery mifanohitra amin’ity raharaha ity amin’izao raha tsy hilaza momba ny sendika maro isika.
Maro ny olona miandry ny raharaha ity ankehitriny fa indrindra ireo mpanao politika sy mpanaraka ny raharaham-pirenena.
JB