Polisy any Amboasary Atsimo: Manampatra fahefana tsy misy ohatr’izany

Olana momba ny fananan-tany no niatombohan’ity raharaha iray tany Miadamandroso any Tsivory ao amin’ny distrikan’Amboasary atsimo ity. I Mara Philippson Jacob sy i Fety no nifanolana, ka tanim-boangazo any Iaborotra any Tsivory no loharanon’ny disadisa.

Rehefa niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha dia nahazo rariny i Mara Philippson Jacob.

Ny 20 martsa lasa teo no nivoahan’ny didy.

Taorian’izay dia azo ambara ho tsy maty voalavo an-kibo i Fety, ka nanatona ny tompon’andraikitra manam-pahefana ara-panjakana tany an-toerana. Avy hatrany dia nampisambotra an’i Mara Philippson Jacob sy olona 6 hafa ny lehiben’ny distrika any Amboasary Atsimo. Ny roa tamin’ireo nampisamborina ireo dia vavolombelona tamin’ilay raharaha fifanolanan-tany.

Mpitandro ny filaminana avy amin’ny « Emmo » mihitsy no tonga tany nanao ny fisamborana, ary tena tamin’ny alalan’ny herisetra (arrestation musclée) no nampiharin’izy ireo.

Nihorohoro ny iray tanàna tamin’izany satria avy dia teny miendrika jadona no nivoaka ny vavan’ireo polisy hoe « melohina ho faty ka tifirina avy hatrany ianareo ».

Nisy avy hatrany ny fanapoahana basy izay nanaitra ny maro. Nisy ny torana teo noho eo, toa an-dRtoa Rasoalina Philippine sy ny reniny (efa jamba) raha vao nandre an’io fipoahan’ny basy io.

Tany amin’ny taona 2016 tany dia efa nisy ny fitorian’i Fety azy ireo fa na ny Kapiteny Faneva aza dia niala satria fantany fa valifaty noho ny raharahan-tany etsy ambony ny fototry ny resaka.

Amin’izao fotoana, efa hatramin’ny faha-28 aprily no nitazonan’ny kaomiseran’ny polisy ao Amboasary Atsimo ao anaty « Violon » an’ireo olona enina ireo fa tsy misy fampakarana azy ireo any amin’ny fitsarana any Taolagnaro na any Toliara. Ny antony dia mbola noterena hanefa vola 4 tapitrisa ariary amin’ingahy polisy ireto fonjaina ireto (ny havany).

Nifanandrify tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazety ao amin’ny radiom-pirenena, Rabena Davida izao tranga izao, ary nijoro nanelanelana niaro ny rariny ity mpanao gazety ity satria nahita maso ny herisetra sy ny fanamparam-pahefana nataon’ireo polisy any Amboasary Atsimo, ka ity namana mpanao gazety ity indray no norahonana hosamborina, ary efa noenjehina hatrany Taolagnaro aza moa izy fa tafaporitsaka niakatra taty Antananarivo ihany.

Etsy an-kilany, ny polisy any Tsivory koa dia manao rainazy amin’ny fanamparam-pahefana. Sahin’ireo polisy ao Tsivory ny manatona an’ireo mpivarotra vary amin’ny kapoaka eny amoron-dalana. Dia ranonan’ireo polisy avy hatrany ireo mpivarotra hoe « tsy manara-penitra ny kapoaka ampiasainareo amarana vary ». Dia itakiana 50.000 ariary isaky ny mpivarotra. Ny vary amidin’izay ireny aza anefa tsy mahatratra 10 Kilao isanisany akory.

Mba hisy tompon’andraikitra ambony hampanao fanadihadiana any an-toerana ve ny amin’izany rehetra izany fa mijaly ny olon-tsotra ? Ny tranga toa izany ange no mahatonga ny fitsaram-bahoaka e ! ka tsy azo sorohina ve izany ?

Comments are now closed for this entry