INTY SY NDAY: Dia maninona ?
Dia iny tontosa omaly iny ny fihodinana faharoa momba ny fifidianana filohampirenena frantsay. I Emmanuel Macron avy amin’ny vondron-kery « En Marche » sy Rtoa Marine Le Pen natolotry ny antoko farany havanana « Front National » no nifanandrina.
Efa nampoizina ny vokatra fa tsy maintsy i Emmanuel Macron no hivoaka ho mpandresy. Vao vita mantsy ny fifidianana fihodinana voalohany, tapabolana lasa izay, dia efa nanambara ny hitaona ny nifidy azy mba handatsa-bato ho an’i Macron ireo mpifaninana maro nihintsana, na ny avy amin’ny hery an-kavia toy ny antoko sosialista na ny avy amin’ny hery ankavanana.
Ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny mpifidy frantsay omaly dia nanodidina ny 73%, ary ny 65, 1% tamin’ireo nandray anjara ireo no nandatsa-bato ho an’i Emmanuel Macron raha ny 34, 9% no nirona tany amin’i Marine Le Pen.
Maro no velom-panantenana, na ny frantsay na isika malagasy raha vao lany i Macron satria tsy fahita tato anatin’ny 4O taona izany hoe « olona ivelan’ny hery ankavanana nahazatra sy ny hery ankavia nahazatra no lany filohampirenena frantsay ».
Etsy andaniny, ny fahatanoran’i Emmanuel Macron koa dia isan’ny mampirongatra izay fanantenanan’ny olona maro izany.
Na ny malagasy aza voasarika nanaraka ity fifidianana tany Frantsa ity dia tsy vitsy no mihevitra fa hisy fihatsarany amin’izany ny ho fifandraisan’i Frantsa amin’i Madagasikara.
Ekena fa nisy ny fanamarihan’i Emmanuel Macron ny fomba vaovao hiheverana ny fifandraisan’i Frantsa amin’ireo zanataniny teo aloha, saingy tsy hampiova inona eo amin’ny fihetsika sy ny foto-pisainan’ny olona efa novolavolain’i Frantsa teto izany.
Aza hadinoina fa tsy hisy firy ny frantsay vaovao mpampiasa vola hihazakazaka aty Madagasikara fa ireo efa nangoron-karena sy nanana dian-tanana tamin’ny fampahantrana ny vahoaka malagasy hatrizay teto ihany no mbola hangeja izay seha-pihariana eto izay. Tsy maintsy hametraka laharam-pahamehana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ireo frantsay miely patrana manerana an’izao tontolo izao ny politika ivelan’i Emmanuel Macron. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia ho lohalarahana hatrany amin’ny tanjon’i Macron sy ny fitondrana hotarihiny, ny fiarovana sy fitadiavana hevitra vaovao hampitomboana ny tombontsoa efa azon-dry zareo franatsay teto hatramin’izay ka hatreto. Vao mainka hanidy ny vazany i Frantsa amin’izao fotoana satria hitany sy tsapany fa tsy hitoem-poana ny vahiny hafa hirohotra eto Madagasikara, toa ny sinoa.
Ka raha misy ny fiovan’ny olona hitondra ny firenena frantsay atsy ho atsy dia hoy izahay hoe « dia maninona ? ». Tsy hampiova inona eo amin’ny politika frantsay aty Madagasikara izany. Ny anjarantsika malagasy, na iza na zovy lany teo, na olona hafa ivelan’izy mianadahy (Le Pen sy Macron) koa aza, dia ny mihevitra ny maha-zava-dehibe amin’ny tsy hiankinan-doha intsony amin’ny any ivelany. Mirazotra amin’izay ny fahasahiantsika, indrindra fa ny mpitondra fanjakana, miaro toa ny anakandriamaso ny fiandrianampirenena.
Tokony hialantsika toy ny fasam-bao koa ity toe-tsaina miandrandra trosa « manandevo » na vola zanahina any ivelany ity satria tena manimba firenena sy mamono vahoaka io.
Izay rehetra tonga eo amin’ny fitantanana eto dia mametraka ho laharam-pahamehana avokoa ny fikatsahana ny fitokisan’ny any ivelany azy. Ny dikan’izay dia ny hahazo fampisamboram-bola na fampanjanaham-bola avy any ivelany.
Efa namotika ny firenena sy nampahantra ny vahoaka toy ny misy amin’izao fotoana anefa izany, ary efa afo nandoro ny lambantsika ve dia mbola hivavahantsika ihany ?
Anjarantsika malagasy ny mamaritra politikam-pirenena vaovao momba ny fifandraisana amin’ny any ivelany, indrindra fa i Frantsa, fa diso ny fiheverantsika hoe « niova ny filohampirenerna frantsay dia hanova ny politika fampihariny aty amintsika koa ry zareo ».
Ralaisoava