Tonian’ny fampanoavana: « Azo samborina i Riana Andriamandavy »
Nitondra fanazavana mikasika ilay raharahan’i Riana Andriamandavy VII ny tonian’ny fampanoavana ambony (Procureur général de la Cour d’Appel) eto Antananarivo, Jacques Randrianasolo. Tato anatin’ny andro vitsy izay dia betsaka ny resaka nandeha momba ity raharaha ity saingy misy ny vaovao diso izay miely any anatin’ny fampahalalam-baovao sy ny tambazotran-tserasera. Izany indrindra no antony nitondran’ny tonian’ny fampanoavana ambony fanazavana ho an’ny vahoaka. “Tsy marina ny filàzana fa efa misy ny didy fampisamborana nivoaka ho an’ny loholona Riana Andriamandavy VII satria hatreto aloha dia mbola didy fampiantsoana (mandat d’amener) mba afahana manadihady azy eny amin’ny fampanoavana no nalefa eny amin’ny zandary. Tena misy tokoa ny fitoriana ny loholona Riana Andriamandavy VII ary ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) no nametraka izany teo anivon’ny fitsarana, ny talata 2 mey lasa teo. Vesatra hanenjehan’ny filohan’ny SMM azy ao anatin’io fitoriana io ny fandrahonana ho faty tamin’ny alalan’ny telefonina sy fanosoram-potaka tamin’ireny tambazotran-tserasera ireny”, hoy ny tonian’ny fampanoavana ambony, Jacques Randrianasolo. Ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitsarana ity izay nanipika fa diso ny filazàna fa tsy afaka samborina i Riana Andriamandavy amin’ny maha loholona azy satria manana an’ilay antsoina hoe “Immunité parlementaire”. “Marina fa amin’ny maha parlemantera azy, tahaka ireo solombavambahoaka, dia manana an’ilay “immunité parlementaire” ny loholona Riana Andriamandavy kanefa raha ny voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna momba ny paikady heloka (code de procédure pénale) dia miala ho azy io zo ho an’ny parlemantera io rehefa misy ny fahatrarana ambodiomby. Hita tsara tao anatin’ny findain-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo filohan’ny SMM ny fandrahonana ho faty nataon’i Riana Andriamandavy ary hiarahan’ny rehetra nahita ireny zava-niseho teny amin’ny foiben’ny Bianco teny Ambohibao ireny”, hoy ihany ingahy Jacques Randrianasolo, nandritra izay tafatafa tamin’ny mpanao gazety izay. Marihana fa mbola mialohan’ny nandehanan’ity loholona ity tany ampitan-dranomasina no nivoaka ary voarain’ny zandary ny didy fampiantsoana azy. Midika izany raha ny hevitra ny tonian’ny fampanovana ambony fa mety nahalala ny fisian’io didy io i Riana Andriamandavy mialohan’ny nivoahany teto Madagasikara.
Ingahy Jacques Randrianasolo izay nilaza fa ny mahagaga ao anatin’ity raharaha ity dia ao anatina fivoriana ara-potoana ny Antenimierandoholona kanefa lasa any ivelany ny filoha lefitr’izany andrim-panjakana izany. Na eo aza anefa izany dia azon’ny fitsarana atao ny mamoaka didy fampisamborana sy mitsara azy na tsy eto an-toerana azy ny voampanga. Tsy sambany no nisy an’izany teto Madagasikara fa efa nitranga izany tany aloha, isan’izany ohatra ny raharaham-pitsaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha nambaran’ny tonian’ny fampanoavana.
F.Tsihiavonana