Zaza kambana dimy: Jeren’ny fanjakana fotsiny izy fito mianaka

Eny amoron-dàlana eto amin’ny manodidina an’Analakely sy Isotry ary Tsaralalàna no ahitana azy fito mianaka mangataka fanampiana amin’izay antra azy. Tsy toa ny mpangataka rehetra izy ity satria miavaka amin’ny fahitana azy, ary tokony hampiana tokoa.

Tamin’ny volana aprily 2016, dia teraka dimy mianadahy ireto mpivady ireto. Rasoariamanana Patricia no anaran’ity ramatoakely ity izay mbola 20 taona monja amin’izao fotoana izao. Mpitsindroka fako no asany raha ny filazany ary eny Isotry sy Ambalavao iny no anaovany izany asa izany. Niaraka tamin’ingahy Rakotoniaina Jean Charles izy ka nifanaraka fa hivady. Ity lehilahy ity indray dia mpikarama mpandio lakandrano amin’iny toerana iny no asany. Tokony ho 30 taona mahery eo no fahitanay azy. Any Itaosy izy ireto no mipetraka raha ny filazany taminay. Teraka kambana 5 mianadahy ramatoa Rasoamanana Patricia rehefa niaraka kelikely izy roa. Tao an-tranony izy no niteraka izany. Vavy efatra ary lahy iray no zanak’izy ireo voalohany izao. I Fitiavana no voalohany, manaraka azy i Fandresena ilay lahy tokana amin’izy efatra, narahan’i Fandrosoana izany sy Tahiana ary ny farany nantsoin’izy mivady hoe Faminaniana.

Vaotery nangataka teny amoron-dàlana izy mivady nanampy ny asa fivelomany izay fanaony io. Ireto zanany dimy mianadahy no entiny amin’izany hilazana fa mafy sy sarotra ny andraikitra napetraka ny Nahary aminy.

Variana dia variana tokoa ny mpandalo mahita ireto zazakely mbola tsy mandady fa mipetraka avokoa eo amoron-dàlana. Misy ny manome akanjo mitovy azy ary misy ny manome sakafo na vola koa hanampiana azy ireto. Na izany aza dia hita fa sahirana tokoa izy mivady amin’ireto zanany kambana dimy mianadahy ireto. Raha nanontaniana ny fanampiana azony avy amin’ny fanjakana izy ireto dia milaza fa tsy mbola nisy nanao izany. Tonga saina avokoa izay rehetra mahita azy ireo. Ny tena mahagaga dia antony nahazoan’izy ireto ny zaza kambana dimy ireto miaraka. Maro no mitady zaza, ary tsy vitsy koa no sahirana amin’ny fameloman-janaka. Mba mipetraha amin’ny toeran’izy mivady ireto moa ianao e! Tsy dia fahita firy ny manana kambana dimy toa izao maneran-tany.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Comments are now closed for this entry