Tonga i Riana Andriamandavy: Aiza ny fandraisana andraikitra ny zandary?

Omaly tolakandro no fantatra fa tafaverina eto an-tanindrazana ny senatera Riana Andriamandavy VII rehefa nandeha nivahiny tany Sina, nandritra ny 5 andro. Tsiahivina ihany fa ny alahady 7 mey teo izy no nandao an’i Madagasikara ary hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny tena anton-diany tany amin’io firenena io. Ny Antenimierandoholona anefa ao anatin’ny fivoriana ara-potoana tanteraka nanomboka ny talata 2 mey lasa teo. Raha ny fantatra ihany dia sidin’ny kaompania Air Madagascar niainga tany Guangzhou, Sina, ary nandalo tany Bangkok, Thailand, no nandehanan’ity loholona HVM ity. Amin’izao fahatongavan’i Riana Andriamandavy eto an-tanindrazana izao dia andrasana amin’izay ny fandraisana andraikitra avy amin’ny zandary satria raha ny fanazavana nomen’ny tonian’ny fampanoavana ambony omaly, Jacques Randrianasolo, dia efa voarain’ny sampana fikarohana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny didy fampiantsoana ity loholona akaiky sy mpiaro fatratra an’i Claudine Razaimamonjy ity, ny alarobia 3 mey lasa teo, ora vitsy tao aorian’ny nametrahan’ny filohan’ny SMM ny fitoriana teo anivon’ny fitsarana. Marihana fa adidin’ny zandary no manatanteraka an’io didy navoakan’ny fampanoavana io raha toa ka tena tany tan-dalàna marina ity firenena ity. Azon’ny zandary tanterahana tsara izany satria tsy misitraka ilay zo manokana tsy ahafahana misambotra azy intsony na ny “immunité parlementaire” intsony i Riana Andriamandavy VII ao anatin’ity raharaha ity. Ny antony dia efa nohazavain’ny tonian’ny fampanoavana ambony omaly, fahatratrarana ambodiomby (flagrant délit) ny heloka nataony ka miala ho azy io “immunité parlementaire” io araka ny voalazan’ny lalàna velona sy manan-kery eto amin’ny firenena. Tsy misy intsony moa ny antony tsy hitondran’ny zandary an’ity loholona ity eny amin’ny fitsarana mba ahafahana manao famotorona azy. Ny filohan’ny Antenimieran-doholona, ny profesora Honoré Rakotomanana, dia efa nanambara nandritra ny lanonana fanokafana ny fivoriana fa ny fitsarana irery ihany no mandinika sy mandray ny andraikiny raha toa ka misy ny fitoriana ny senatera Riana Andriamandavy VII. Efa ny fitsarana izao no mamoaka ny didy fampiantsoana ka adidin’ny mpitandro filaminana no manatanteraka izany, tahaka ny nataony rehefa nisambotra an’i Claudine Razaimamonjy, teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina.    

F.Tsihiavonana

Commentaires   

0 #1 JAOMARENGA 13-05-2017 08:19
Nisy ihany ny mizana tsindrian’ila satria tokony nampitovina tamin’ny cas Lylison koa ny cas Rina. Tokony mandat d’arrêt avy hatrany no nataon’i PG/CA ary avy amin’ny maha lehiben’ny fampanoavana azy dia tokony ho fantany fa mitombona ny heloka iampangana an’ity senatera ity. Tsy izay anefa no nataony fa nandefa “sois transmis” izany hoe indro alefa mba hanaovana fanadihadiana an’ilay senatera ka hitondrana ny raharaha eo anatrehan’ny fitsarana. Mbola misy fanavahana ny MAPAR sy ny HVM foana izany. Tokony akarapoka ilay senatera dia atao ny moba azy e! Sady efa nandoro ny TVM no mbola manana lohan-jiolahy ihany. Samy olo manga isika ka rehefa tsy mahavita ianareo dia aleo esorina e! fa raha izaho aloha tsy te hihiditra ao anatin’ity fitondrana efa maloto ity.
Citer

Ajouter un Commentaire