Mada Omby: Norahonan’ny lehiben’ny zandary ny filohan’ny kaoperativa

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny kaoperativa Mada omby izay ivondronan’ny mpivarotra omby eto Madagasikara. Ny filohany Tahiry Sambehafa sy ny mpiara-miasa aminy akaiky no nanao izany tetsy amin’ny trano fisakafoanana Telozoro etsy Andrefan’ ambohijanahary. Mahakasika ny fandrahonan’ny komandin’ny zandarimaria azy ao Tsiroanomandidy no anton’izany. Raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety mahakasika ny kolikoly ataon’ny pôlisy sy ny zandary ary ny miaramila any amin’ity toerana ity izy tamin’ny alatsinainy faha 08 may 2017 teo, dia izao fandrahonana ny ainy izao no azony tamin’izany. Tsy navelan’ireto zandary handeha koa ny omby izay tokony hampiakarina aty Antananarivo satria tsy omen’izy ireo ny karatr’omby.

Noho izany dia nanapa-kevitra ny hiato amin’ny fanondranana omby aty Antananarivo mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny Mada omby. Nanomboka omaly alakamisy 11 may 2017 izany. Tsy mbola fantatra ny fotoana hiverenan’ny varotr’omby.

Toa ny raharaha mahakasika an’ilay mpanao gazety Fernand Celo any Ilakaka ity raharaha ity, ka rehefa avy nilaza ny marina sy ny kolikoly fantany ity olona ity dia izao fandrahonana ny ainy izao no vokany ary tsy navelan’ny zandary any Tsiroanomandidy hatao koa ny asany. Izany no midika fa fanjakana tsy misy lalàna intsony no eto Madagasikara ka ireo izay manao ny marina indray no enjehina.

Vokatr’izao raharaha izao dia mety hitombo indray ny vidin’ny hena eto Antananarivo. Santionany amin’ny zavatra tsy mety ataon’ny zandary any amin’ny faritra maro izao. Ny any Ambatofinandrahana dia jeren’ny komandin’ny zandary aty Antananarivo sy ny minisitra fotsiny ny raharaha ataon’ny komandin’ny kaompania sy ny mpiara-miasa aminy na dia efa fatin’olona isan’andro no ao hita ao an-toerana. Tsy raharahian’izy ireo ny fangatahan’ny mponina amin’ny fanesorana ny zandary maromaro izay heverin’ny olona fa miray tetika amin’ny dahalo.

J.B.

Ajouter un Commentaire