INTY SY NDAY: Tsy mbola vita ny tolona !
Hitsingerina rahampitso sabotsy ny faha-45 taonan’ny Raharaha 13 may 1972. Andro sabotsy koa tamin’izay. Hetsi-bahoaka nitakiana ny fanovana teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Niainga tamin’ny fitakian’ny mpianatra ny raharaha, satria nibaribary toy ny tafika andrefan-tanàna loatra ny “sekoly miangatra” teto Madagasikara. Samy zanaka Malagasy izao ihany, nefa ny zanaky ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanana dia nahazo fampianarana hafa, ary nisitraka tombontsoa manokana, fa ny zanaky ny sarambabem-bahoaka kosa, indrindra ny tany ambanivohitra, dia fampianarana tsizarizary no azony. Tetsy ankilany, tsy neken’ny fisainan’ny Malagasy koa ny mbola ampianarana ny taranany ny tontolom-pampianarana faha-zanatany, ka nitakiana ny fanagasiana ny fampianarana. Tafiditra tao anatin’izay ny fanagasiana ny fandaharam-pianarana sy ny teny enti-mampianatra. Tranga nampibaribary ny “sekoly miangatra” teto koa ny nihatra tamin’ireo mpianatra ho dokotera mpitsabo. Nisy mantsy ireo dokotera mpitsabo izay nofanina tetsy Befelatanana, ka rehefa vita ny fianaran’izy ireo dia nalefa niasa tany ambanivohitra izy ireo. Tetsy ankilan’izy ireo, dia nisy koa ireo mpianatra ho dokotera mpitsabo izay nofanina teny amin’ny oniversite. Izy ireo kosa rehefa tafavoaka tamin’ny fianarany dia notendrena hiasa tamin’ny tanan-dehibe. Samy zanaka Malagasy ary samy Malagasy no tsaboina ka nahoana no nasiana fanavahana toa izany. Niteraka fitokonana teo amin’ny mpianatra ny oniversite izany rehetra izany, ary nahitana ny solontenan’ny mpianatra avy amin’ny ambaratonga faharoa toy ny avy amin’ny Lycée koa. Teo koa ny avy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra.
Fa tsy latsa-danja tamin’ny hetahetam-panovana teo amin’ny vahoaka tamin’izany koa ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana, satria dia nanjaka ny tsikombakomba maloto. Tsy nahazo ravinavaratra raha tsy Pisodia (antokon’ny mpitondra tamin’izany).
Nihanaka koa ny fahantrana tamin’izany na dia tsy mitovy amin’ny vaikan’ny iainana amin’izao fotoana aza ny nitranga. Mbola nahazo vahana 100% tany amin’ny rafi-pitantanan-draharaham-panjakana koa ny olon’ny mpanjanaka nefa hoe “firenena mahaleo tena i Madagasikara”. Mbola nisy vazaha tamin’ireo minisitra nandrafitra ny governemanta ary maro ireo vazaha tany amin’ny an-tanan-tohatry ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra tany.
Nampiasa herim-pamoretana nandripahana vahoaka ny fitondrana Pisodia, dia ny “FRS” izany ny faha-13 may teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ka maro ireo namoy ny ainy sy naratra. Nisy ny nitondra takaitra.
Na dia nahomby aza ny tolona tamin’izany dia mbola mitoetra ny olana niainan’ny Malagasy tany ambadika ny 45 taona, ary mihamafy aza izany amin’izao fotoana. Ny dikany dia mbola mitohy ny tolona.
Ralay