Asan-jiolahy eto Antananarivo: Mitaky ny fandraisana andraikitra ny rehetra ny mpitandro filaminana

Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Ankadilalana ireo tompon’andraikitra ny filaminana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, omaly. Tao anatin’izany ny pôlisy, ny zandary, ny préfet de police, ireo lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny faritra eto Analamanga. Tanjona tamin’izao fivoriana natao omaly izao ny hitadiavana vahaolana mba ahafahana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto andrenivohitra sy any amin’ireo kaominina manodidina azy. Voaresaka nandritra ny fivoriana daholo rehefa mety ho asan-jiolahy, tafiditra ao anatin’izany ny halatra “panneaux solaires” eny amin’ny lalan’ny Digue izay tsy mety ahitam-baholana mihitsy tao anatin’ny taona maro. Ny mpitandro ny filaminana sy ireto manam-pahefana sivily ireto izay mbola nanamafy hatrany fa tsy ho resy mihitsy ny asan-jiolahy raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra, manomboka hatrany amin’ny olom-pirenena, ny fokontany, indrindra fa ny mpitandro filaminana izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany indrindra dia ho hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny pôlisy sy ny fokontany ary ny fisavàna ireo fiara sy ny olona mivezivezy amin’ny alina. Anisan’ny andraikitra lehibe azon’ny olom-pirenena atao amin’izany ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany ny fanomezana vaovao ny mpitandro filaminana amin’ny zava-misy eny anivon’ny fokontany rehetra eny.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire