GDS : mihetsika indray ny tanora hanavotra ny firenena
Tafatsangana ny fikambanana antsoina hoe GDS (Groupement du Sud), na ny fivondronan’ny tanora avy any atsimo.
Niseho vahoaka omaly zoma faha 12 may 2017 tetsy amin’ny toerana fisakafoanan Telozoro tetsy Aandrefanambohijanahary izy ireo. Mitarika izany ny mpandrindra roalahy dia Rakotonandrasana Eric Sttof sy Ratsimanotry Badigy Alison. Hijery ny fomba hampandroso ny faritra Fianarantsoa sy Toliara amin’ny lafiny kolontsaina sy sosialy ary fanatanjahan-tena izy ireto. Nilaza fa tsy fikambanana tsotra izy ireto ka hanampy ny fikambanana rehetra izay efa misy hatramin’izay. Fitaritana ny tanora hitodika any atsimo no tanjona ka tsy hanadino ny fihaviany na dia miala any ka mitady ravinahitra aty amin’ny toerana hafa. Fikambanana 64 no voalaza fa mivondrona ao amin’ity fikambanana ity.
Marihina fa maro ny fikambanana avy any amin’ny faritra izay miorina toa izao, nefa toa ny afo mololo izy ireny ka afaka volana vitsivitsy na taona iray dia manjavona tsy hita intsony ilay fikambanana. Enga anie ka tsy ho toy izany ny GDS.
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao