INTY SY NDAY: Miala any indray ry Ramasabomanga isany

Fehezan-teny iray nankalazaina tamin’iny herinandro teo iny indray ny hoe « tsy azo andeferana izay tsy nahitam-pahombiazana ». Ingahy filohampirenena Rajaonarimampianina no nivolana azy voalohany dia nanara-dia azy Ingahy Praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana.

Dia tai-dronono nandroatra koa ny « ramasabomanga » isany ka nihazakazaka namerina ny tsianjery, dia nisy ny namory mpanao gazety mihitsy ka niseho ho mitovy fomba fijery amin’Ingahy Filohampirenena ary mampirisika azy hanohy ny fanadiovana efa natombony. Hatreto anefa dia ny raharaha Razaimamonjy Claudine no fantatry ny maro. Tsy azon’ny betsaka koa anefa raha mbola miaro azy na tena nandentika azy ny filohampirenena. Dia re koa fa nisaoran’ny filoha ny mpanolotsainany iray, Rtoa Nicole Andrianarivosoa.

Tsy hay aloha na tena izy na sarimihetsika avokoa izany satria mba fantatra ihany ny fepetra noraisiny momba an’Ingahy Tale teo aloha nisahana ny kabinetra sivilin’ny filohampirenena, dia Rabary Njaka Henry izany. Nankalazaina hoe nesorina saingy io izy fa mbola isan’ny mitana ny fanalahidin’ny raharaha ankapobeny ao an-dapa ihany.

Etsy andanin’izany, maika ny hahazo toerana ny sasany ka mampirisika ny filoha handray andraikitra avy hatrany. Ny governemanta no iantefan’ny lasibatr’izy ireny. Ny antony dia hoe « tsy ahitam-pahombiazana ».

Nahoana moa no asiana fanavahana toa izany ny raharaha ? Moa tsy miara-tompon’andraikitra amin’ny tsy fahombiazana mitranga ankehitriny na ny filohampirenena na ny governemanta (collegialement et politiquement responsable) ? Tsy tokony hadinoina fa ny lalampanorenana dia manipika fa

« ny filohampirenena no mamaritra ny politika ankapoben’ny fanjakana ary ny governemanta no mandrafitra ny fandaharan’asa mifandraika amin’izany » ?

Ny famakafakan’ny maro dia nanaporofo fa ny politika ankapobeny nofaritan’ny filohampirenena mihitsy no tsy ahitam-pahombiazana, ary voaporofon’ny efa nanovana praiminisitra in-telo sahady izany. Ny tian-kambara dia hoe « raha nahomby ilay politika ankapobeny nofaritan’ny filohampirenena dia nahoana no tsy mbola ahitam-pahombiazana izany aty amin’ny praiminisitra fanintelony ? »

Tsy iadian-kevitra koa aloha ny tsy fahombiazan’ilay governemanta na izany na tsy izany fa ny filohampirenena koa tsy afaka andraikitra e !

Ireo ramasabomanga anefa dia te hahazo toerana mba hikatsahana tombontsoa manokana sy hitavanana fotsiny dia mandrisika ny filoha handrava ny governemanta. Ataovy indray àry dia ho hitantsika eo afaka efa-bolana e ! Aidiro ao avokoa ry ramasabomanga isany. Tokony hanao fanamby amin’izay ny filoha hoe « raha tsy ahitam-pahombiazana ato anatin’ny efa-bolana io dia izaho mihitsy no tsy mahomby ».

Ralay

Commentaires

0 #1 JAOMARENGA 16-05-2017 09:37
Izy no tokony hame-trapialana satria tsy “toa-teny” amin’ireo olona miaraka aminy. Inona moa no anton’izany? Tsy nanana députés i Rajaonarimampianina alohany nipetrahany teo ary tena mbola narisarisa ka nila namana. Iza ary ireo namany? Dia mbola ireo mpanao politika gaigilahy namotika an’ity firenena ity ihany e! Ao koa ireo mpanao risoriso sy mpangoron-karena tsy ara-dalana ka natahotra ny ho enjehina eo anatrehan’ny fitsarana ka nampiasa ny volabeny mba hanohanana an’io filoha io. Mazava ho azy fa tsy matahotra azy ireo minisitra sy ireo olona manodidina azy ireo satria miankina amin’izy ireo no mbola maha eo amin’ny toerany i Rajaonarimampianina. Izay no mahatonga ny “rédevabilité” tsy tonga any amin’ny vahoaka fa any amin’ireo mpanara-dia azy ihany . Ny mifanohitra amin’izay no tadiavin’ny vahoaka malagasy. MIALA E!

Comments are now closed for this entry