Mpanao gazety nisy namono: Afaka noho ny fisalasalana ilay voampanga

Nandalo fitsarana ady heloka bevava omaly tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy varavarana fahefatra ilay raharaha nahafatesana mpanao gazety izay fantatra ny olona amin’ny anarana Ratovoherinirina Michel dit Ramika, mpanao sary hiitatra teto amin’ny La Gazette izay nitranga teny amin’ny Rasalama ny volana oktobra 2015.

Nandritra ny ora iray nitsarana an’i Hasimbola Jean Josephe, izay anisan’ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity, dia nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy ny lehilahy ary nosoketainy nanoloana ny mpitsara ady heloka bevava fa raharaha noforononin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny famotorana azy fotsiny izany.

Tsy ampy ny vesatra niampangana an’i Hasimbola ka omaly ihany dia nivoaka ny didim-pitsarana ary noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ny lehilahy.

Raha tsiahivina moa ity tantara ity dia ny volana oktobra taona 2015 no nisy namono i Ramika. Ankoatra ny zavatra sarobidy lasan’ireo jiolahy dia mbola notsatohana ny antsy ny tenany ary maty tsy tra-drano.

Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa voasambotra ilay namono mpanao gazety. Noentina teny anivon’ny fampanoavana i Hasimbola ary nidoboka am-ponja vonjy maika ny volana desambra taona 2015.

Comments are now closed for this entry