Mpitondra: Manely tsaho indray satria matahotra ny hiala

Mampahatsiahy ny fanesorana an’ingahy Ravelonarivo Jean, praiminisitra teo aloha ny zava-misy ankehitriny. Iray taona mahery kely teo izay no naongana tsy ho praiminisitra ity jeneraly ity.

Nanomboka ny volana janoary 2017 dia nankalazaina ny filazana fa hisy indray ny fanovana praiministra. Nalefa koa ny tsaho fa hisy ny fitsipaham-pitokisana hatao ho an’ny praiminisitra amin’izao fotoana fivoriana ara-potoana izao. Ny depiote no manana ny fahefana hanao izany. Naely koa ny tsaho fa efa misy 72 ireo solombavambahoaka nanao sonia izany. Rehefa noporofoina izany dia tsy misy velively. Nilaza ny filohan’ny Antenimierampirenena Jean Max Rakotomamonjy tamin’ny herinandro lasa teo fa tsy misy izany akory.

Avy ao amin’ny mpitondra fanjakana avokoa ny vaovao rehetra mahakasika izany.

Amin’izao fotoana izao indray, nanaitra ny mpanara-baovao rehetra ny fandaharana pôlitika tamin’ny fahitalavitra tsy miankina izay nilazan’ny talen’ny Lalàna eny Iavoloha, ingahy Idealison momba ny asan’ny governemanta izay tsy mandeha intsony amin’izao fotoana izao. Matoa izany navoaka ampahibemaso dia efa misy fanapahan-kevitra mahakasika izany any ambadika any. Misy aza no milaza fa ny filoham-pirenena mihitsy no maniraka ny famoahana ireny vaovao ireny. Raha olona taty ivelan’ny fanjakana sy tsy olona ambony teny amin’ny lapam-panjakana no miteny zavatra toa ireny dia azo lazaina fa fanehoan-kevitra ihany izany ka tsy mikasika ny fitondrana.

Ny raharaha Ravelonarivo Jean rehefa hanongana azy ingahy Hery Rajaonarimampianina dia mitovitovy amin’izao no zavatra nisy teto amin’ny firenena. Misy dia tsy misy, hoy ny fitenenana. Raha ny resaka mandeha avy amin’ny mpanara-baovao aza dia misy ny milaza fa tsy maintsy hisy ny fanovana governemanta amin’ity volana may ity. Voatery niaro tena nefa ingahy Mahafaly Olivier teo anatrehan’izany tsaho izany ka maro tamin’ireo solombavambahoaka no nantsoina teny Mahazoarivo natao amin’ny fomba fanaovana azy.

Ampiainan’ny fanjakana ao anatin’ny tsaho sy ahiahy hatrany ny Malagasy tao anatin’ny 3 taona sy tapany izay. Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena ka izany no anton’izao fanelezana tsaho izao indray. Ny fanelezana tsaho toa izao nefa mampitombo ny hatezeran’ny vahoaka entina sy ny mampiditra kizo ny firenena.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire