Filoha Hery: Tratran’ny fahirano politika
Mangotraka dia mangotraka ny raharaham-pirenena ankehitriny. Izany dia nanomboka tamin’ny fisamboran’i Razaimamonjy Claudine izay mpanolotsainy ka tafiditra amin’ny raharaha kolikoly avo lenta sy fanodikodinana volam-panjakana ary fanadiovam-bola eto Madagasikara. Mitombo andro aman’alina ny fiampangana ity ramatoa ity ary mitombo toa izany koa ny olona ambony izay voalaza fa ao anatin’ny fanjakana ankehitriny no tafiditra ao anatin’ny raharaha io. Mipoitra tsikelikely ankehitriny ny kolikoly sy ny halatra ary ny fanodikodinana isan-karazany eto amin’ny firenena. Raha izany no resahina dia olona maro no voakasika amin’ity raharaha ity na sivily na miaramila na mpitondra fanjakana. Efa ao anatin’ny tambazotra iray izy ireo raha ny zava misy eto Madagasikara.
Tsy ny raharaha Claudine irery ihany nefa no andrasan’ny maro sy ny fanodikodinana volam-panjakana fa ny mahakasika ny fanondranana harem-pirenena any ivelany koa. Isan’ny lehibe amin’izany ny raharaha momba ny andramena sy ny vatosoa ary ny volamena. Isan’ny voaresaka koa ny fivarotana tany amin’ny mpanakarena vahiny karana sy sinoa ary vazaha isan-karazany.
Ny fanararaon-tampahefana ataon’i ramatoa Voahangy vadin’i Hery Rajaonarimampianina koa dia ilain’ny mpanaraka vaovao fanadihadiana sy famotorana satria maro loatra no voalaza amin’izany. Tsy tenenina intsony ny resaka ekôlazy izay voalaza fa kolikoly avolenta maro iresan’ny olona momba ity olona ity. Ny fitsarana sy ny mpanao fanadihadiana no hahalalana ny marina rehetra momba izany toa ny nahazo ny filoham-pirenena Koreanina tatsimo sy ny filoham-pirenena brezilianina izay voarohirohy amin’ireo raharaha ireo.
Mbola olana koa ny mahakasika ny manodidina ny filoham-pirenena izay misy maro no manapatra fahefana. Misy ny milaza fa mpanolotsaina manokan’ny filoha ka mampiasa izany amin’ny raharaha maro. Taty afara nefa dia lazaina fa tsy mpanolotsaina indray ireny olona ireny.
Noho izany dia mifamaofao be ny raharaha politika eto Madagasikara. Manenjika ireo olona ireo ny sendikan’ny mpitsara Malagasy ao amin’ny SMM. Mbola mitaky koa ny tsy fitsabahan’ny fanjakana mpanatanteraka amin’ny raharaham-pitsarana izy ireo ka nanao fitokonana tetsy Anosy andro vitsy lasa izay. Ny Bianco( birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly) dia hita fa tsy mety baikoin’Iavoloha intsony sy ny praiminisitra. Manampy azy ireo koa ny sendika maro eto amin’ny firenena, ary ny mpanao politika. Ny vahoaka dia mampiseho ny tsy hafaliany amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola vahiny dia tsy mety manome vola hoan’ny fanjakana Malagasy intsony, ary milaza matetika amin’ny fomba diplaomatika fa tsy voahaja ny fifanaraha nifanaovana amin’ny sehatra iraisam-pirenena toa ny fifanarahan’i Cotonou. Toa lasa resaka fifampihatsaram-belatsihy aza no ifanaovan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakviambe iraisampirenena ireo, ka mipetraka amin’ny fifanarahana an-taratasy fotsiny ny raharaha fa tsy misy ny fanomezana vola amin’izany. Ny Amerikanina sy ny Vondrona Erôpeanina dia tsy mitsahatra ny mampahatsiahy amin’ny fanjakana ny tokony hanajana ny fahafahana sy ny fampiharana ny demôkrasia. Mbola olana amin’izany ny raharaha fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao.
Inoana fa hiafara any amin’ny fanaovana fanadihadiana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ity raharaha ity raha toa ka mitohy izao zavatra izao. Ny tena olana dia ny tsy fihenoan’ny vahoaka Malagasy intsony izay zavatra tenenin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao na tsara na ratsy ny zavatra ataony sy lazainy. Mbola karazan’ny fikomiana ankolaka koa izany hoan’io fitondrana io.
Izany rehetra izany no ilazana fa tratran’ny fahirano politika io fanjakana. tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io ka tokony handinika tena izy rehetra ireo mpitondra amin’izao fotoana izao.
JB