Ceni: Hangalatra sahady ve ?
Mbola iray taona alohan’ny fifidianana dia efa manamboka ny hosoka. Ny CENI (Vaomieram-pirenena mahaleontena momba ny fifidianana) dia nanome loka ny fokontany izay nahavita nampitombo ny lisi-pifidianana ao amin’ny faritra misy azy. Toa izany koa ny eo anivon’ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra.
Mametraka tanjona ny Ceni ireto fa hampiakarina 10 tapitrisa ny isan’ny mpifidy eto Madagasikara amin’izao fifidianana izao. Ny tarehimarika teo aloha dia mazava fa
8 823 000 raha ny fifidianana tamin’ny taona 2013 no noraisina. Mitombo 2 tapitrisa mahery izany amin’izao fotoana izao io tarehimarika io. Tena fanirian’ny olom-pirenena maro ny fahafantarana ny isan’ny mpifidy marina. Fantam-poko fatam-pirenena fa tsy ara-dalàna ny lisim-pifidianana eto Madaga-
sikara. Ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany teto, ka tao anatin’ny 23 taona mahery dia nanao izay tiany hatao ny olona nikarakarany fifidianana teto, fa indrindra ny Ceni sy ny ministeran’ny atitany izay nisolotena ny fanjakana amin’ity raharaha ity. Tena ny fanjakana mihitsy aza no olana amin’izany. Ity raharaha ity no nampisy olana tamin’ny fifidianana teto Madagasikara hatramin’izay. Tamin’ny taona 2001 aza dia nilaza ingahy Ravalomanana Marc sy Ratsirahonana Norbert izay lohandohan’ny mpandany ny mpifaninana tamin’ingahy Ratsiraka fa “1er tour dia vita” rehefa nahavita ny fangalarana rehetra tao amin’ny lisim-pifidianana tamin’izany fotoana izany. Nisy koa ny fitomboan’ny birao fandatsaham-bato taty aoriana izay tsy fantatra ny fihaviany. Nisy nifidy tamin’ireny birao matoatoa ireny ka nampandany ny olon’ny fitondrana. Izao indray dia nitombo tampoka teo ny mpifidy.
Mahagaga ankehitriny fa tsy nisy filazana fa hanao fanisana mponina ny fanjakana nefa dia milaza ny CENI fa niakatra 10 tapitrisa ny mpifidy. Ny fanaovana “revision” ny lisim-pifidianana dia tsy midika velively hoe nanao fanisam-bahoaka. Tsy zavatra vita moramora izany fanisam-bahoaka izany. Asa manokana tanteraka ary olona maro no manantanteraka izany. Ny Ceni sy ny mpiasan’ny kaominina ary ny distrika izay manao ny “revision” ny lisim-pifidianana ireo dia zara raha manao izany. Ny toerana maro aza dia ao anaty birao ihany ny mpiasan’ny kaominina no manovaova tarehimarika ao dia milaza fa vita ny “revision”. Izany no nahatonga ny olona iray misoratra in-droa na in-telo akory aza(doublon) hoy ny fitenenana. Tsy misy fidinana isan-tanàna sy fanisana akory. Na ny maty sy ny olona nifindra toerana aza tsy vitany akory, nefa dia milaza fa nahavita “revision” ny lisitra ity. Voalazan’ny Ceni fa nitombo 6, 33% ny mpifidy tamin’ny faha 15 aprily 2017 lasa teo. Avy aiza no nahitana io fitomboany io ? Sa ilay sarin-tsarim-panisana tamin’ny alalan’ny “revision” izay nampanaovina.
Taratrin’ny fifidianana izay hataon-tsika amin’ny taona 2018 izao efa zavatra mitranga izao. Inoana fa tsy maintsy hitombo indray io tarehi-marika io amin’io fotoana io. Ary tsy maintsy atao amin’ny mampety ny fanjakana eo an-toerana izany. Ny fanjakana tsy manisa vahoaka nefa ny tarehimarika mitombo an-toerana. Iza no olona afaka milaza fa nisy ny fanisam-bahoaka teto Madagasikara ? Olona iza no nanao izany, ary taiza no nanaovany azy ? Mba hanamboarana ny saim-bahoaka dia lazaina fa nitombo ny isan’ny mpifidy. Tena marina izany satria mitombo isan-taona ny isan’ny mponina. Ny diso amin’izany dia ny fametrahana isa tsy mifanaraka amin’ny tena izy na manakaiky izany. Raha mieritreritra hangala-bato sy hanodinkodina ny valim-pifidianana dia toa izao zavamisy amin’izao fotoana izao no atao. Milaza zavatra tsy marina ary mandamina ny saim-bahoaka dieny mbola lavitra.
Tiana ny mampahafantatra ny Ceni fa tsy mino ny tarehimarika omenareo amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpifidy io ny vahoaka. Hitarika korontana eto amin’ny firenena io ka hampiaina ny vahoaka indray ao anatin’ny krizy vaovao.
Jesy Rabelaolao
Commentaires
mbana @ ceni omena fiara4*4 ,tsy iray iany fa toa nisy Hyundai ix35 teo aloha,zay mody nasiana soratra Hertz nefa
efa nesorina le soratra zao ; zao ndray toa mitondra 4*4mitsubishi vao2 ry zareo
tsy menatra akory milalao volam-bahoaka ao anaty fahantrana (ilay solontenan’ny mpanao gazety ao@ ceni dia mipetraka ety akaikinay )Tambazana tombotsoa bbe toy izany ve tsy ao raha ? Toy ireo institution hafa tambazana karama be sy fiaralafo vidy nefa tsy hita akory oe inona no tena asa ataony.Tena hangalatra
mihitsy reo fa samia mailo , tadisio koa tsy nataotao foana le sady PM no ministre
ny atitany fa tena specialite n’ilay olona natao @io toerana io ny mic -mac @
fifidianana.Araho maso io olona io sy ny ny departement iadidiany.Hangala-bato daholo reo araka ny andraikiny avy fa ra i Hery R tsy ho lany @ fomba madio eo @zao fa mbola tsy nahita filoha halam-bahoaka tahaka io aho.
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.