DFP: Sambory ny tena mpangalatra fa tsy Claudine
Nitory olona maromaro tompon’andraikitra amin’ny tolotrasa omen’ny fanjakana ingahy Doudou izay filohan’ny DFP na dinika hoan’ny fampihavanam-pirenena omaly alakamisy faha 18 may 2017 teny amin’ny Bianco ka tetsy amin’ny hotely Bon Accueil tetsy Ambatonakanaga izy no nilaza izany tamin’ny mpanao gazety. Mahakasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy no isan’ny fanazavany tamin’izany. Voalazan’ingahy Doudou fa i ramatoa Claudine dia tsy tompon’andraikitra mivantana tamin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy kolikoly tamin’ny tolotrasan’ny fanjakana itazonana azy io. Ny tompon’andraikitra amin’ny tolotrasam-panjakana ireo no tokony hosamborina voalohany fa atao takalon’aina fotsiny ity ramatoa ity. Ny voalohany amin’izany dia ny minisitra tompon’andraikitra, ny manaraka azy dia ny “ordonateur sécondaire” ny “gestionaire d’activiteé” ny PRMP (personne resposable du marché public), ny « Contrôle des dépenses angagées » ary ny CNM na ny (commission nationale de marché public) sy ny « autorité de régulation de marché public ». Ireo rehetra ireo no notorian’ny DFP ho tompon’andraikitra amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy ity. Nahoana izy ireo no tsy misy samborina sy atao fanadihadiana ?
Hoan’ny dfp dia natao hialofana ireo olona ireo ity raharaha ity, ka natao takalon’aina i Claudine Razaimamonjy.
Tsy izany ihany no nitondran’i Doudou fanazavana fa ny olana eto amin’ny firenena. Efa tokony hiala avokoa ny mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy izy intsony izao. Tsy nisy olona nifidy mpitondra hampahantra vahoaka teto, noho izany dia tokony hisy ny fandraisan’ny vahoaka fanapahan-kevitra indray.
Jesy Rabelaolao