Inty sy Nday: Mampiteny ny moana !

Maro ny singa eo anivon’ny fiaraha-monina no tsy re feo izany raha raharaham-pirenena na politika no asian-teny. Isan’ny voalohany amin’izany ny tafika amin’ny ankapobeny. Izay no iantsoana azy ireny hoe « ireobe kamoana » (la grande muette). Tsy afaka miteny momba ny raharaham-pirenena izy ireny. Tsy misakana ny fananan’ny tsirairay zo hanana fironana ara-politika anefa izany fa tsy manana zo hiteny amin’ny anaran’ny tafika kosa izy ireny na izany aza.

Rehefa miteny momba ny raharaham-pirenena ny tafika dia efa ao raha. Efa tranga manokana izay no misy.

Isan’ny tsy mpiresaka raharaha politika koa ny fiangonana. Marina fa amin’ny ankapobeny dia miresaka raharaha momba ny zanak’olombelona amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ny fiangonana ary indraindray dia voaresaka ihany ny tontolon’ny fiaraha-monin’ny zanak’olombelona, saingy ataon’izy ireo ankolaka sy safobemantsina na ankapobeny ihany izy ireny./

Ny tamin’ny sabotsy teo kosa, andro namoahan’ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika « hafatra » ho an’ny firenena dia nivantana ny teny nataony, ary notondroin’izy ireo tsy tamim-pihambahambana ny tompon’andraikitra amin’ny tranga miseho ka misy akony ratsy any amin’ny fiainam-bahoaka sy ny isam-batan’olona.

Nahazo ny anjarany ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izay tokony hiaro ny ain’izay marary nefa dia hoe jeren’ny hôpitalim-bahoaka fotsiny. Voatonona ny Ministeran’ny fanabeazana sy ny fampianarana izay tsy ahitana taratra izany famerenana ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo olona volavolaintsika izany, fa ny fivarotana diplaoma sy ny fanodinkodinana mpianatra no hita taratra. Tsy afa-bela ireo Mpiandraikitra ny Fandriam-pahalemana sy ny Fiarovam-pirenena satria hoe be ny re sy hita ataon’izy ireo toy ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo sy mpanao ratsy, miseho amin’ny fivarotana bala sy fampanofana basy ary ny fampihorohoroana ny tantsaha any ambanivohitra. Tsy tadidin’izy ireo intsony, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka ny velirano nataon’izy ireo “ho an’ny Tanindrazana”. Izy ireo no natao hiaro ny aina nefa lasa mpamono, ka loza, hoy ny hafatry ny Eveka.

Voateny koa ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny angovo , satria ao no zary manome vahana an’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany vahiny izay mahalala ny haren’ny Malagasy. Zary tompony mpangataka atiny isika, ary manao tantely afa-drakotra ny harentsika ry zareo, hoy ny hafatra. Henjana mihitsy ny fanakianan’ny Eveka azy ireo hoe “ Nahoana re no viraviraina tahak’izao ny tanindrazantsika ?”

Ny Ministeran’ny Fitsarana koa dia nahazo ny anjarany satria hoe “tsy misy madio fa kolikoly sy fanapotehana ny marina, ary fanamelohana ny tsy manan-tsiny sy ny tsy manam-bola no mitranga matetika”. Mampalahelo fa na dia ireo namanareo manao asa tsara sy marina aza dia potehinareo na afindra toerana, hoy ny hafatra, ka ny vokadratsin’izay dia ny fitsaram-bahoaka no heverin’ny olona ho vahaolana.

Ireo olom-boafidy koa dia tsy nohadinoin’ny Eveka satria hoe notoloran’ny vahoaka fahefana nefa zary nampiasa izany fahefana izany ho fitadiavana ny tombon-tsoan’izy ireo samirery, toy izay nentina hanasoavana vahoaka.

Raha topaza-maso ankapobeny dia tena mampiteny ny moana ny zava-misy ankehitriny e !

Faralahy

Ajouter un Commentaire