Josekely: Diso fanantenana tanteraka ny vahoaka

Halina tao amin’ny amin’ny vaovaon’ ny TV Viva no nivahinianan’ingahy José Andrianoelison na Josekely nilazany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena . Nahafataran’ny maro an’ity “polytechnicien” ity sady mpanao politika ity ny famakafakany ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Ny fahitsiany sy ny fahaizany mampifanaraka ny filan’ny mponina sy ny firenena koa no tena nampiavaka azy.

Omaly alina tamin’ny vaovaon’ ny Tv Viva izay nanasan’i Ramatoa Nate Rakotomavo azy no nilazany ny fahitany ny fanambaran’ny Eveka ny raharam-pirenena ankehitriny. Nambarany fa tsy ny mpino katolika ihany no niantefan’ny fanambarana iny fa ny malagasy rehetra. Nilaza koa ity olona ity fa tokony hiverina amin’ny toetsain’ny razantsika isika Malagasy hoy izy. Ny mpitondra ankehitriny dia tena nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy tanteraka. Noho izany dia tokony hivondrona isan’andro isan’andro isika hoy izy mba hampiverina amin’ny laoniny ny maha Malagasy, ka hahatonga indray an’i Madagasikara ho sambatra. Mbola tsy ampy ny olona mahatsapa tena.

Nokianina koa ny mahakasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika isam-bolana sy ny fiakaran’ny vary tsy voafehin’ny fanjakana izao. Mikasika ny vary dia mila fitandremana mafy izany satria ny mpamboly tsy maintsy tandrovana ary ny mpihinana

koa tokony hojerena. Nampahatsiahiviny ny momba ny “stock tampon” fahiny izay nolazainy fa izy no isan’ny namolavola izany. Na dia manakiana mafy ny tsy mety ingahy Josekely dia manome vahaolana koa.

Momba ny fampianarana koa dia nokianiny mafy ny tsy fisian’ny fanazavana izany izay tokony hataon’ny minisitra tompon’andraikitra amin’ny fanovana tiany hoentina eo amin’ny fampianarana. Ny vahoaka hoy izy no tokony hanontaniana ny heviny amin’io raharaha io satria iankinan’ny hoavin’ny firenena izany.

Tsy miova amin’ny fijeriny hatramin’izay ingahy Josekely.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire