Voahangy Rajaonarimampianina: Nabaribariny ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Hvm

Maromaro ireo sehatra nitondran’ny vadin’ny filohampirenena, Rajaonarimampianina Voahangy, fanampiana sy fikatsaham-panarenana ( ???) hatramin’ny naha-filohampirenena an-dRajaonarimampinina Hery vadiny. Ny farany tamin’iny herinandro iny izao dia ny nampanaterany bodofotsy firakotra ho an’ireo voafonja eny Antanimora. Amin’arivony izany fa tsy ampolony an !

Fanao maneran-tany tokoa aloha ny hetsika fanampiana ara-tsosialy ataon’ny vadin’ny filohampirenena toa ireny, ary matetika no manangana fikambanana manokana mihitsy ny vadin’ny filoha mba ho sehatra anatanterahana an’izany.

Tamin’ny Repoblika faharoa, ohatra, dia ny antoko Arema tamin’ny alalan’ny Varema sy ny Koparema no nihetsiketsehan-dRatsiraka Céline. Tamin’ny fotoana naha-filohampirenena an-dRavalomanana dia ny fikambanana « Tiko » no nisaloran-dRakotonirainy Lalao Ravalomanana ary tamin’ny tetezamita teo dia ny fikambanana « Fitia » no niasan-dRajoelina Mialy.

Ny an-dRajaonarimampianina Voahangy kosa aloha hatreto dia tsy mbola nisy rafitra manokana fa tamin’ny anarany avy hatrany no nanolorany an’ireny fanampiana ireny.

Ady hevitra misokatra hatrany ny hoe « nahoana no rehefa eo amin’ny fitondrana ny olona iray vao manao asa sosialy ( ???) toa izany ny vadiny sy ny manodidina azy fa talohan’ny nitanana ny fahefam-panjakana na taorian’ny nialana teo amin’ny fitondrana dia tsy hita popoka ? Ny sasany aloha mba miseho ihany na mahalana aza. Izany ve, hoy hatrany ny manitikitika ny maro, tsy midika koa fa ny volam-panjakana ihany no ampiasaina na ahodinkodina ho amin’izany mba ho fampielezan-kevitra ?

Fa ny hita aloha, ho an-dRajaonarimampianina Voahangy manokana dia ihazakazahany hatrany ireo sehatra tena ibaribarian’ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana.

Mety hihevitra izy fa ho fanampiana ny tsy vitan’ny fitondrana ny nataony, saingy amin’ny endriny iray hafa koa dia azo sokajiana mihitsy ho fanehoana imasom-bahoaka ireny fa « tena tsy mahomby mihitsy ilay fitondrana ».

Ilay mpitondra fanjakana moa dia mizara roa koa ny fijeriny. Ny sasany mitehaka satria mihevitra fa tena fanampiana an-dry zareo ilay ataon’ny vadin’ny filoha fa ny sasany dia tsy mankasitraka an’izany satria tena mampibaribary ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ilay fihetsika ary zary mitaiza ny sain’ny olona hiandry fanampiana sy hotoloran-dava.

Ho an’ny tompon’andraikitra sasany koa dia tsy faly mihitsy izy ireny amin’ny fihetsiky ny vadin’ny filohampirenena toa izany satria toa midika ho fizahozahoana sy fireharehana ilay raharaha, ary mitarika ho amin’ny tsy fahazakan’ny vadin’ny filoha raha tsy toavin-teny izy eo anatrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony isan-tsehatra sy isan’ambaratonga.

Tsy manana ampaha-pahefana amin’ny tontolon’ny raharaham-panjakana anefa ny vadin’ny mpitondra saingy mihevi-tena izy ireny matetika fa « fananan’izy mivady ilay fahefam-panjakana » ka tsy maintsy toavin-teny koa izy.

Matetika aza no izy vady mihitsy no mibaiko an’ilay andefimandriny mitana ny fahefam-panjakana amin’izay tsy maintsy ampiasan’ny vadiny an’io fahefam-panjakana eo amin’ny andefimandriny io.

Dia tonga hatrany amin’ny hoe « izay olona tian-dRamatoa vady na Rangahy vady no tsy maintsy tendrena amin’ny andraiki-panjakana iray, na ho praiminisitra io na ho minisitra na ho masoivohom-panjakana any ivelany na izay ho dipaomaty any amin’ireny masoivoho any ivelany ireny, na izay hisahana andraikitra ara-panjakana amin’ireo ambaratongam-pitantanana.

Vokatr’izany, tsy mahagaga raha tsy ahitana fivoarana sy firosoany fa vao mainka mikatso na mihemotra aza ny fiainam-pirenena satria karazan’ny mohaka ilay nampindraman’ny vahoaka ny fahefam-panjakana.

Comments are now closed for this entry