Senatera Betina Bruno: «Mila fanorenana ifotony ny firenena Malagasy »

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha misy eto Madagasikara amin’izao fotoana i Betina Bruno, loholona voafidy tany amin’ny faritanin’Antsiranana. Nambarany fa na inona na inona ady hevitra ataon’ny mpanao politika na ny olom-pirenena dia dingana iray tsy azo hidovirana ny firosoana ny fampihavanam-pirenena raha tiana ny hialàna ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina misy eto amitsika izao. Tsy mijanona eo amin’izay resaka fampihavanana izay fotsiny ihany anefa ny fampihavanam-pirenena hatao fa mivelatra amin’ny lafin-javatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ary anisany lehibe indrindra ny fanorenana ifotony ny firenena na ny “refondation”. “Betsaka ny zavatra mila fanorenana sy fanarenana eto amin’ity Madagasikara ity, na eo amin’ny lafiny ara-politika na ny lafiny ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Ao anatin’io fampihavanam-pirenena io isika Malagasy no mifampiresaka sy mandinika ny fanorenana tokony ho tanterahana mba ahafahan’ny firenena miala ao anatin’izao fahatrana lalina izao. Efa tany amin’ny taona 2002 izahay teo anivon’ny CRN no nitaky ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena ary mandrak’ity ny androany dia mbola tazominay io hevitra io”, hoy ny loholona Betina Bruno. Raha ny mikasika ny toe-draharaha misy ankehitriny kosa, indrindra fa ny mikasika ny fitokonana misy etsy sy eroa izay ataon’ireo sendika eto amin’ny firenena kosa dia nambaran’ity olom-boafidy ity fa ny fifampiresahana eo amin’ireo sendika mitokona sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitondram-panjakana ihany no vahaolana. Na ny fanjakana na ny sendika dia tokony samy hijery ny tombotsoan’ny firenena ka hitady ny marimaritra iraisana mifanaraka amin’izany.

F.Tsihiavonana

Comments are now closed for this entry