Fitaterana an-dranomasina: Nitokona tetsy Anosy ny sendikan’ny tatsambo

Mitombo ihany ny isan’ireo sendika mihetsika amin’izao fotoana izao. Omaly dia ny sendikan’ny tatsambo Malagasy (SYGMA) no tonga nanao fihetsiketsehana tetsy Anosy, teo anoloan’ny ministeran’ny Fitaterana. Ny tena marina dia ireo mpibata entana (docker) mpiasa eny ambony sambo teo aloha satria voaroaka tamin’ny tamin’ny asany no nanao izay fitokonana izay. Ireto farany moa izay mpikambana ao anatin’ny Sygma ka tamin’ny anaran’io sendika io no nitokonan’izy ireo, omaly. Raha hiverenana ny tantara dia mpibata entana Malagasy miisa 43 no voaroaka tamin’ny asany, tamin’ny volana jolay 2012. Raha ny fanazavana nomen’ny sekretera jeneralin’ny Sygma, Razafindraibe Harinony Lucien, dia noho ny fidiran’ireto mpibata entana ireto ho mpikambana tao anatin’ity sendika ity, tamin’io taona 2012 io ihany, no antony nandroahana azy ireo. Ho an’ny Sygma dia tsy mitombina ary tsy ara-drariny mihitsy ny fandroahana ireto mpibata entana ireto satria zon’ny mpiasa rehetra eto amin’ity firenena ity no miditra ho mpikambana ao anatina sendika iray ary voalaza mazava ao anatin’ny Lalàmpanorenena izany. Mazava ho azy fa tsy nanaiky mora an’izany ireo mpitarika ny sendika ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana Malagasy. Rehefa nandeha moa ny raharaham-pitsarana dia nahazo rariny, izany hoe nandresy ireo mpiasa noroahana. Mandrak’ity anefa ny androany, 4 taona aty aoriana, tsy mbola nampiharina mihitsy io didy navoakan’ny fitsarana io ka mbola tsy an’asa daholo ireo mpibata entana miisa 43 nesorina tamin’ny asany ireo. Mbola fitokonana fanairana moa no nataon’izy ireo omaly, raha toa anefa ka tsy misy ny andraikitra raisin’ny fitondram-panjakana dia hiroso amin’ny hetsika mafimafy kokoa ny Sygma. Tokony nihaona tamin’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny filohan’ny Antenimierampirenena ireo mpitarika ny sendika omaly saingy tsy tanteraka izany tamin’ny fotoana farany. Tsara ny manamarika fa tsy mijanona eto Madagasikara ihany ny hetsika ataon’ny Sygma fa tonga hatrany ivelany. Ity sendika ity izay mpikambana ao anatin’ny federasionina iraisam-pirenena hivondronan’ireo mpiasan’ny fitaterana an-dranomasina na ny ITF. Nisy solontena avy amin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity no tonga eto amitsika amin’izao fotoana ary manohana ny Sygma amin’izao hetsika hataony izao.

F.Tsihiavonana

Justice et paix: Mitaky an’ireo depiote handray fepetra amin’ireo mpitondra fanjakana

Manomboka miteny sy maneho ny heviny ny zanaky ny fiangonana, indrindra fa isan’ireo ianjadian’ny korontana sy tsy filaminana ara-piaraha-monina ankapobeny eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny zanaky ny fiangonana katolika. Taorian’ny Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika izay nivory teto Antananarivo ny faha-13 may teo dia nifanatona ny sokajin’olona tsara sitra-po tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, izay nahitana ny “Justice et Paix”, ny “Amis de Lakroa”, ny “Conférence Malagasy des Religieux

/Religieuses”, ny FIFA, ireo mpandraharaha amin’ny seha-pihariana omby, ny mpitrandraka harena ankibon’ny tany, ny firaisa-monim-pirenena, ny fikambanana miaro ny soatoavin’ny faritra. Raha topaza-maso amin’ny ankapobeny dia saika rantsana na rafitra na zanaky ny fiangonana katolika ny ankamaroan’ireo nifanatona sy niara-nandinika ny raharaham-pirenena tao Fianarantsoa ireo. Mazava ho azy fa nandray ny andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena na amin’ny maha-laika zanaky ny fiangonana azy izy ireo.

Mijoro mandray andraikitra izahay, hoy ny fehin-kevitra nivoitra avy amin’io, izay nifamory ny fiandohan’ity volana jona ity tany Fianarantsoa, ho famaliana ny hafatry ny Eveka.

“Taratasy misokatra” ho an’ny solombavambahoakan’i Madagasikara moa, izay azo ambara ho taratra ny vahoaka Malagasy, no nanehoan’izy ireo ny fehin-keviny tamin’io.

Manaitra ny feon’ny fieritreretan’ireo solombavambahoaka ireto nifamory, ary miantso azy ireo handray fepetra hentitra ka hampiasa ny fahefana nomen’ny vahoaka sy ny Lalàmpanorenana azy ireo hampitsahatra izao fomba fitantanana tsy mahomby izao, izay miteraka ny fahoriam-bahoaka.

Notsiahivin’izy ireo ny solombavambahoaka nampitany ny taratasy fa “mijaly ny tantsaha any Fianarantsoa sy any amin’ny faritany hafa noho ny asan-dahalo”. Mitohy mahazo vahana hatrany mantsy, hoy ny antson’izy ireo, ny fanangonana omby amin’ny valabe sy ny fanondranana omby mankany ivelany, ary mandeha ho azy ny fampidirana entana ataon’ireo mpandraharaha milaza fa hitondra fampandrosoana eto Madagasikara. Hany ka miparitaka ny basy mahery vaika izay ampiasain’ny dahalo, hoy ilay “taratasy misokatra”. Nomarihin-dry zareo nampita hafatra ho an’ny solombavambahoaka koa fa “misy ihany ireo “opération” ho fiatrehana izany olana amin’ny asan-dahalo izany saingy vahaolana vonjy maika ary tsy mitondra vahaolana maharitra”. Mangataka an’ireo solombavambahoaka ny “Justice et Paix” sy ny niara-nivory taminy mba hiantso an’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga momba ireo voalaza ireo ary mba hananganan’ireo solombavambahoaka vaomiera mpanao fanadihadiana (commission d’enquête).

Nivantana koa ny “taratasy misokatra” ho an’ny solombavambahoaka nanehoan’ny “Justice et Paix” sy ny mpiara-dia aminy ny fanoherany ny fangalana am-pitaka ny tanim-pokonolona amin’ny alalan’ny fandrangarangana tetik’asam-pampandrosoana eo amin’ny sehatra ny fambolena sy fiompiana iarahana amin’ny mpandraharaha vahiny, nefa dia mazava fa famaritana tany hitrandrahana harena an-kibon’ny tany no tena ao ambadika. Notsindrian’ireo nivory koa ny tsy faneken-dry zareo ny fampanjakana ny kolikoly avo lenta amin’ny fiainam-pirenena, toy ny fanabeazana sy ny asam-panjakana, ny fiharian-karena mbamin’ny fandraharahana. Ho an’ny “Justice et Paix” sy ny mpiara-dia aminy dia kajikajy hahazoam-bola fotsiny ny nanovana ny rafi-pampianarana fa tsy misy foto-kevitra mazava. Tena maizina ny hoavin’ny firenena, hoy ry zareo.

Teo ankilan‘ireo dia tsy nohadinoin’ireto niara-nivory tamin’ny “Justice et Paix” ny naneho ny fandavany ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanalan-jaza, izay hatolotry ny fitondram-panjakana eny amin’ny Antenimierampirenena. “Zava-doza izany, na amin’ny maha-kristiana na amin’ny soatoavina maha-malagasy mandala ny aina”, hoy ny fanamarihan’ireto miara-manao sonia ny “Taratasy misokatra”.

Nanehoan’izy ireo fanohanana kosa ny ezaka efa ataon’ny “Bianco” sy ny “Smm” sy izay rehetra hametraka ny tany tan-dalàna. Eo anoloan’izany dia misintona ny sain’ireo solombavambahoaka mandrafitra ny Antenimierampirenena ny “Justice et Paix” sy ny mpiara-dia aminy mba hijery ny andininy faha-167 ao amin’ny Lalàm-panorenana momba ny fametrahana ny Fitsarana Avo na “Haute Cour de Justice”.

Comments are now closed for this entry