SMM: «Tsy gadra politika i Claudine Razaimamonjy”

Mbola mitàna ny sain’ny maro moa amin’izao fotoana izao ny vaovao mikasika an’i Claudine Razaimamonjy, na ny nampidirana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny alatsinainy hariva lasa teo. Nandeha moa ny feo nanomboka omaly maraina fa navoaka ny fonja tamin’ny alin’ny alatsinainy teo ihany ity vehivavy mpandraharaha akaiky ny filoham-pirenena ity ary nalefa any Mantasoa natao “résidence surveillée” na tazonina amin’ny toerana manokana harahi-maso. Hatramin’ny omaly hariva dia tsy voamarina ny fahamarinan’izay feo nihely izay, tsy nisy raha teo koa ny tompon’andraikitra ara-panjakana nandiso an’izany. Manoloana izany indrindra dia nitondra fanazavana ho an’ny olom-pirenena ny filoha lefitry ny SMM na ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara, Fanahimana Tiaray. Nilaza moa ity mpitsara ity fa fandikan-dalàna ankitsirano no ataon’ny fitondram-panjakana raha toa ka tena mitombina tokoa io resaka mandeha io fa nalefa any Mantasoa natao “residence surveillée” i Claudine Razaimamonjy. “raha ny lalàna velona eto amin’ity firenena ity dia ireo olom-pirenena migadra noho ny antony ara-politika irery ihany no afaka tazonina amin’izany atao hoe “residence surveillée” izany fa tsy ireo olona nangalatra na nanodikodina volam-panjakana. Noho izany raha marina ny filazàna fa natao an’io tokoa i Claudine Razaimamonjy dia mandika lalàna tanteraka ny fitondram-panjakana satria tsy gadra politika ny voapanga”, hoy ny filoha lefitry ny SMM. Ity farany izay nanamafy hatrany fa tafiditra ao anatin’ny fanajàna ny tany tan-dalàna ny fampitoviana ny olom-pirenena eo hanatrehan’ny lalàna, noho izany tsy tokony hisy ny fepetra hafa mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalàna raisin’ny mpitondra amin’ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity. Etsy andanin’izay, nambaran’ny mpitsara Fanahimana Tiaray fa tsy mbola afa-po akory ny SMM tamin’ny fampidirana an’ity mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ity any am-ponja. Ny antony, tsy izay no tena tanjon’ny sendika tamin’ny fitakiana sy ny hetsika nataony fa ny tena takian’ireo mpitsara dia ny fanajàna manontolo ny tany tan-dalàna, ao anatin’izany ny fampiharana ny didy rehetra havaokan’ireo ambaratongam-pitsarana rehetra misy eto amin’ny firenena, ary ny fanajàna ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana.

F.Tsihiavonana

Fanadinana hidirana ao amin’ny INFA: Nahemotra amin’ny 19 jona ny fe-potoana handraisana ny atontan-taratasy

Ho fitsinjovana ireo mpiadina maniry ny hiditra eo anivon’ny INFA (Institut National de Formation Administrative) dia nahemotra amin’ny faha 19 jona izao ny fe-potoana farany handraisana ny atontan-taratasy filatsahana ho mpiadina. Torak’izany koa ny fanadinana dia nahemotra amin’ny datin’ny faha 19, 20 ary ny 21 jolay ho avy izao, manerana ny renivohi-paritra 22. Tsiahivina fa voakasika amin’io fanapahan-kevitra io ny fifaninanana ho an’ireo maniry ny hiofana ho « adjoint » sy « assistant d’administration », « contrôleur » sy « assistant rédacteur des domaines », « contrôleur du commerce et de la concurrence », « contrôleur du travail et des lois sociales », ary ny « adjoint » sy « assistant technique de la statistique ».

F.Tsihiavonana

Comments are now closed for this entry