Justice et paix: “Ny kolikoly ataon’ny mpitondra no isan’ny mamotika firenena”
Namoaka fanambarana indray ireo rafitra miara-dia ao amin’ny Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana, izay tsy hafa fa ireo zanaka ny fiangonana tsara sitra-po.
Voalohany indrindra dia nomarihin’izy ireo fa “mahavery fanahy sy mampiteny ny moana ny mahita ny zava-misy eto amin’ny firenentsika, ary tsy manan-kantenaina intsony ny vahoaka; lasa tsy toy ny tompon-tanindrazana”.
Navoitran’ny fanambarana fa “tsy voaaro ny ain’olona sy ny fananany. Vao omalin’ny omaly no matin’ny dahalo, ohatra, ny ben’ny tanàna tao Ambalakindresy sy mpiantsena tao Fanjakana”. Ohatra navoitran’izy ireo koa ny mpandraharaha voaroba tany Mahasoabe. Saika isanandro mihitsy, hoy ny Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana, ny asan-jiolahy manakana fiarakodia mitondra olona amin’ny lalampirenena rehetra eto amin’ny firenentsika.
Nasongadin’ny fanambaran’ny “Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriampahalemana ary ny Fiadanana”, koa fa “ravaina ny soatoavina maha-kristianina amin’ny alalan’ny fanimbazimbana ny fananana Masin’ny Fiangonana, toy ny Baiboly, sary Masina, halatra lakolosy…”
Ho an’ny “Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana dia “mampihoron-koditra ny habibiana niseho tamin’ny mponina tany Antsakabary, ny fametavetana Masera tao Antsirabe, ary ny famonoana Pretra tao Antsirabe…”
Tsy nohadinoin‘ity Komity ity koa ny nampivoitra fa “potika tanteraka ny kolontsain’ny Malagasy tompon-Tanindrazana, ka miseho lany, ohatra, ny halatra taolam-paty. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny fahamaroan’ny mpandraharaha ara-pihariana potika sy ny olona ianjadian’ny fahaverezan’asa.
Maro amin’ny olom-boafidy koa no tsy miraharaha ny vahoaka”, hoy hatrany ny fanambaran’ity Komity ity.
Eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia notsipihin’ny Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana fa “fametrahana rafi-pampianarana hahazoam-bola fotsiny no ataon’ny mpitantana ny firenena fa tsy hamaly ny tena filan’ny vahoaka Malagasy, ary tatitra diso, mifanalavitra amin’ny zavatra iainan’ny vahoaka no nataon’ny Praiminisitra sy ny Governemantany teny amin’ny Parlemanta”.
Tsy nianona tamin’ny fitanisana ny zava-misy sy ny mianjady amin’ny vahoaka ny Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana fa nanipika koa, vokatra ny famakafakana sy fandalinana nataon-dry zareo, ny antony mahatonga izany rehetra voatanisa izany.
Voalohany amin’izany ny tsy fanajan’ny mpitondra ny lalàna velona, hoy ity Komity ity. Ny faharoa dia ny kolikoly sy ny kiantrano antrano ataon’ny mpitondra manam-pahefana. Eo anilan’ireo ny asan-dahalo sy ny herisetra miseho lany eo anivon’ny fiaraha-monina ankapobeny. Voatrandraka ny fanadihadian’ny Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fiadanana ho isan’ny antony mahatonga ireo olana mitranga voatanisa etsy aloha ireo koa ny famotehan’ny mpitondra an’izay olona tsara sitra-po ka miray hina miaro ny soa iombonana. Tsy latsak’izany koa ny fahitan’ity komity ity ihany fa “ny vola no mibaiko amin’ny asam-bahoaka sy ny asam-panjakana, ka arakaraky ny habetsahan’ny vola aloa no maha-haingana sy mampisy kalitao amin’ny asa ampanaovina.”
Etsy ankilany, ireo olom-bitsy sy ny vahiny no migalabona amin’ny harem-pirenena sy ny volam-bahoaka. Isan’ny loharanon’ireo tranga mampijaly ny ambanilanitra koa ny fifidianana nanjakan’ny vola sy ny fizaran-javatra.