Inty sy Nday: Atao jono ny harem-pirenena

Ny alarobia teo ary nifarana ny alakamisy tany Pretoria, Renivohitr’i Afrika Atsimo ny Dinika tamin’ireo mpampiasa vola andrandrain’ny fitondrana Hvm fa ho avy aty Madagasikara. Ny filohampirenena Rajaonarimampianina mihitsy moa no nitarika ny solontenam-panjakana Malagasy tany.

Inona moa ny voantoatin’ny resaka azon’ny mpitondra fanjakana natao tamin’izany ankoatry ny fanomezan-toky an’ireo mpampiasa vola avy aty fa tsy ny hoe “malalaka sy azo antoka ny tontolon’ny fampiasam-bola any Madagasikara” ?

Fa ny isan’ny tsy mahavoasarika ny mpampiasa vola ho avy eto koa dia ny vontoatin’ny lalàna sasany, indrindra ny momba ny fandraharahana. Ingahy Rajaonarimampianina izao tamin’io fandehanany tatsy Afrika Atsimo io dia nanome antoka koa fa misy amin’ireo lalàna no hasiam-panamboarana, ka iray amin’ireo lalàna navoitrany ny momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany.

Inona no rian-kevitra tian’ny filohampirenena homena vahana mba hisarihana an’ireo mpampiasa vola amin’io tontolon’ny harena ankibon’ny tany io ?

Raha ny tsinjo mantsy dia endriky ny fivarotan-tanindrazana mivantana no tetehin’ny mpitondra fanjakana hatao, ary tsy hampifanoheriny amin’izay efa nampiharina amin’ny Tetik’asa goavana momba ny harena ankibon’ny tany eto amin’izao fotoana izany. Ny hita mivandravandra izany aloha dia ny harem-pirenena Malagasy no ataon’ny fitondram-panjakana Hvm jono hisarihana ny vahiny mpampiasa vola ho avy eto. Raha jono hiteraka trondro ho an’ny vahoaka Malagasy moa, inona no olana, ary inona no tadiavina, fa jono hivadika ho harato handrobana ny harem-pirenena misy eto, hanatevin-daharana an’ireo endri-pandrobana harena isan-karazany ero efa misy amin’izao fotoana no ahiana.

Fa mbola isan’ny ho raharaha iray mampanahy koa ny momba ny fanomezan’ny mpitondra mpivarotra tanindrazana alalana ny vahiny hizaka manana tany eto.

Teboka tsy maintsy ifampifehezana amin’ny mpitondra fanjakana eto, na ny ankehitriny na ny ho avy aoriana, ny momba ireo raharaha roa ireo, dia ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany sy ny manodidina ny fizaka-manana tany. Tsy misy hanaiky ny mbola hitohizan’ny fanomezana alalana ny vahiny handroba ny harem-pirenena eto toa izay nifanarahan-dRavalomanana tamin’ireo seha-pitrandrahana harena efa miasa eto hatramin’ny 2006 no mankaty mantsy eto. Ireo fifanarahana vita ireo aza, tsy maintsy anerena ny mpitondra ho avy ny hanavaozany ny vontoatiny fa tsy azo ekena izao fanomezana alalana ny vahiny handroba ny harenan’ny Malagasy izao. Ho an’ny vahoaka Malagasy kosa dia fampanantenana volana aman-kintana, toy ny fanaony no navoitran-dRajaonarimampianina, toy ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa goavana eto. Hasiana toeram-pitobian’ny fiarakodia (parking) misy rihina hono etsy amin’ny farihin’Anosy sy eny Behoririka, sy ny hafa.

Tsy voaresaky ny mpitondra fanjakana mihitsy hatreto ny tetik’asa tokony hamokarana eto an-toerana, hiantohana ny fampivoarana ny toekarem-pirenena sy hanarenana ny fiainam-bahoaka, izay miainga amin’ny harena misy eto sy ny olona. Ny fahaiza-manao sy ny herin-tsandrin’ny Malagasy mitambatra, mifototra amin’ny fikirakirana sy fanodinana ny akora misy eto sy ny harena miotrika eto dia efa “fampiasam-bola” goavana fa tsy voatery hisarika ny avy any ivelany handroba ny harem-pirenena eto.

Rainisoa

Ajouter un Commentaire