SMM : Nanome fe-potoana 10 andro ny mpanatanteraka

Tsy mihemotra amin’ny fitakiana ataony ny SMM na ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara. Ireto farany izay nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana omaly ary tapaka tamin’izany fa omena fe-potoana 10 andro ny fitondram-panjakana na ny mpanatanteraka hamaliana ny fitakian’izy ireo. Raha ny fanazavana nomen’ny filoha lefitra ny SMM, Tiaray Fanahimana, dia tsy nasian’ireo mpitondra lanjany mihitsy ny fitakiana nataon’ny sendika tao anatin’izay herinandro vitsy izay, eny fa na dia teo aza ny fitokanana fanairana nataon’ny mpitsara, ny 8 sy ny 9 jona lasa teo. Manoloana izany indrindra dia manohy ny fitakiany ny SMM ka nanome fe-potoana 10 ny mpanatanteraka. Raha toa moa ka tsy mahafa-po azy ireo ny valin’ny fitakiana avy amin’ny mpitondra dia hiroso amin’ny fitokonana faobe mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpitsara rehetra manerana ny Nosy. Tsiahivina ihany fa anisan’ireo fitakiana lehibe ataon’ny SMM ny tokony hanatanterahan’ny fitondram-panjakana an’ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonan-doha nataon’ny mpitsara, tamin’ny taona 2012. Ao anatin’izany ny tokony hanajàna ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana, ny tsy fampiasàna intsony ny fitsarana ho fitaovana pôlitika sy fitaovana hiarovana ny tombotsoan’ny mpitondra, ary ny tokony hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Ahiana indray noho izany ny mbola mety hikatsoan’ny fitsarana manerana ny Nosy tao arianan’ny fitokonana nataon’ireo mpikaraki-draharahan’ny fitsarana na ny “greffier”.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire