Afrika Atsimo: Teto Madagasikara no niainga ilay onjam-peo “Freedom”
Omaly talata faha 18 jolay 2017 no nankalazana ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’i Mandela, sy ny andron’ny onjam-peo Freedom. Ny iray voalohany dia fankalazana ho fahatsiarovana an’i Nelson Mandela izay mpitari-tolona Afrikanina-Tatsimo nigadra nandritra ny 27 taona noho ny ady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra tao amin’ity firenena ity. Lasa filoham-pirenena izy taty aoriana. Izy koa no filohan’ny antoko ANC (African national Congres) izay antokon’ny mainty hoditra tao Afrika Atsimo niady tamin’ny voanjo mpanjanaka fotsy hoditra.
Tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka dia nanapa-kevitra i Madagasikara fa hamaha ny ziogan’ny fangejana ny firenena aty Afrika sy manerana izao tontolo izao. Isan’izany ny tao Afrika Atsimo.
Ny taona 1978 ka hatramin’ny taona 1986 dia teto Madagasikara no napetraka ny “Radio Freedom” izay nampita ny onjam-peo tao Afrika Atsimo ho fanampiana ity firenena ity amin’ny ady natrehany amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Mpiasan’ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) telo lahy no nasaina nametraka ny onjam-peo teo Antananarivo, dia ny injeniera Venance Rasamimanana, ny teknisianina momba ny feo Rajaonarison Norbert, ary Augustin Andriambololo-
manana. Niara-niasa taminy tamin’izany ny mpanao gazetin’ny antoko ANC avy atsy Afrika Atsimo Soly Mpoly, Don-Ngouben ary James Steward. Nomena fizakan-tena Malagasy izy telo lahy ireo. Nahenika an’i Afrika Atsimo manontolo ny “Radio Freedon” ho fanentanana ny mpikambana ao amin’ity firenena ity ary hitaritana ny vahoaka hanohitra ny fanjakana tao Afrika Atsimo izay nanavakava-bolon-koditra.
Tsy i Afrika Atsimo ihany nefa no nampian’i Madagasikara fa isan’izany koa ny tao Zimbabwe ka ankoatra ny onjam-peo dia nandefa katsaka tany amin’ity firenena ity koa i Madagasikara ho an’ny tarik’i Robert Mougabe sy Joswan Komo izay mpitari-tolona koa. Nitohy tany amin’ny Repoblikan’ny Saharawi koa ny fanampian’i Madagasikara izay firenena nozanahin’ny Marokanina.
Nahatsiaro izany ireto Afrikanina Tatsimo eto Madagasikara miaraka amin’ny ambasadin’ity firenena ity eto an-toerana ka nanao fety tetsy amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Carlton omaly talata faha 18 jolay 2017.
Nagonin’i Jesy Rabelaolao
Raharaha Alain Ramaroson: Ny 25 jolay izao no hivoaka ny didim-pitsarana
Rehefa nahemotra in-telo dia tontosa omaly teny amin’ny tribonaly Anosy ny fotoam-pitsaran’i Alain Ramaroson. Ity mpikambana teo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ity izay tsiahivina ihany fa tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra tamin’ny taona 2016 no nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora rehefa voampanga ho nanao hosoka tamin’ny famarotana tany, eny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely. Ny 25 jolay izao no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha maha-voasaringotra azy eny Andoharanofotsy, ary amin’ny voalohan’ny volana aogositra kosa ny mikasika ilay raharaha eny Ambohimangakely. Marihana fa mbola nangataka fahafahana vonjy maika mandra-piandry ny fivoahan’izay didim-pitsarana izay ny mpisolovavan’ingahy Alain Ramaroson saingy nolavin’ny mpitsara hatrany izany. Raha ny fantatra dia nangataka onitra 2 miliara ariary ny mpitory, nandritra ny fotoam-pitsarana natao omaly.
F.Tsihiavonana