Inty sy Nday: Somalie-zasionina an’i Madagasikara

Mikorontana zay tsy izy ny raharaha rehetra eto Madagasikara hatramin’izay repoblika faha efatra nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina an’i Madagasikara izay. Ny fotoanan’ny fitondrana tetezamita dia mbola azo lazaina fa tsaratsara kokoa noho izao fiverenana amin’ny ara-dalàna izao. Izany no mahatonga ny olona maro hieritreritra fa aleo ihany tamin’iny vanim-potoana iny toa izay amin’izao fotoana izao. Tena niharatsy avo roaheny ny fiainam-pirenena. Tsy nisy dikany ny fifidianana izay natao tamin’ny taona 2013 ka nametrahana ny filoham-pirenena sy ny depiote. Velom-panenenana tanteraka ny vahoaka ankehitriny.

Tsy misy hafa amin’ny any Somalie izay itrangan’ny ady an-trano i Madagasikara ankehitriny, ary miroso any amin’ny korontana sosialy isan-karazany. Ny miaramila dia manomboka miady an-trano sady tsy voafehin’ny fifampifehezana intsony. Raha natao hiaro ny vahoaka ny foloalindahy dia tsy izany intsony no mitranga fa misy amin’izy ireo indray no mitarika andian-jiolahy manafika etsy sy eroa. Firy moa ny fanafihan-jiolahy nahitana mpitandro ny filaminana no lehibeny? Tsy izany ihany fa ireo foloalindahy ireo dia lasa mpikarama an’ady ka na ny asa tokony hataony amin’ny maha mpitandro filaminana azy dia sandaina vola avokoa ankehitriny. Tsy mahazo ireo antsoina hoe “DAS” na (departement autonome de sécurité) ny any ambanivohitra raha tsy mandoa vola be amin’izany. Ny zandary manao ny fitandroana ny fifamoivoizana amin’ny alina izay manaraka ny taxi-brousse ao anatin’ny “caravane” amin’ny làlam-pirenena dia andoavam-bola 10 000 ariary isakin’ny fiara. Ny miaramila manao “operation” any ambanivohitra dia andoavana sanda-karama avokoa. Izany no zava-misy ary iainana any ambanivohitra any. Mitaraina izay tsy izy ireo olona voakasik’izany, nefa dia tsy afaka manoatra noho ny fiarovana ny aina.

Ankilany indray dia tsy voafehy intsony ny jiolahy sy dahalo ankehitriny. Ny andiany iray dia misy dahalo 80 raha kely indrindra sady manana fitaovana raitra noho ny an’ny miaramila sy zandary ary ny polisy. Efa tsy matahotra ny mifanandrina amin’ny mpitandro ny filaminana intsony izy ireny toa ny nisy tany Ankazoabo Atsimo, Betroka, Ambatofinandrahana, Ambohimahasoa, Ikalamavony, Bekily, Morondava sy Melaky ary efa tonga hatrany Ambatondrazaka izany amin’izao fotoana izao.

Firy moa ny tobin’ny zandary sy ny polisy notafihan’ny dahalo izay, toa ny nitranga tany Ankora, Ambatofinandrahana, Midongy Atsimo sy ny sisa.

Ankoatran’ireo dia manjaka izay tsy izy ny fitsaram-bahoaka ka tsy hay tanisana intsony ny isan’izy ireny noho ny tsy fahatokisany ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.

Manaraka izany koa dia maro no maneho fitakiana ny mpiasa Malagasy ka mitombo isanandro aman’alina ny fanehoan-kevitra manohitra ny fitondram-panjakana.

Manjaka tanteraka ny fandikan-dalàna ka ny mpanao kolikoly no mitondra sy mifehy ny firenena. Toa efa fiainana mahazatra ny Malagasy ankehitriny ny fahitana sy ny fahenoana faty olona noho ny fanafihana isanandro.

Mbola endrin’ny Somalie-zasionina avokoa ny fanaporetana ataon’ny fanjakana amin’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana handrava ny fihetsehana demôkratika ataon’ny vahoaka amin’ny fanehoan-kevitra maro isan-karazany ireny.

Ireo toe-draharaha ireo no nitranga tany Somalie ka nahatonga ny ady tsy mety vita efa ampolotaonany maro ankehitriny. Hatramin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza no nisintaka fa mihalangalala amin’ny raharaha any Somalie ankehitriny. Enga anie ka ho tonga saina ny mpitondra firenena fa indrindra ingahy Hery Rajaonarimampianina izay mitondra amin’izao fotoana izao, ka handray fanapahan-kevitra hijery vahaolana maika dia maika. Izay ihany no vahaolana farany ka tokony handini-tena izy sy ireo mpiara mitondra aminy mba tsy ho tara ny fandraisany fanapahan-kevitra.

JB

Ajouter un Commentaire