SEFAFI : « Mbola manjaka ny faneriterena ny fahalalahana »
Tsy mitsahatra ny manara-maso akaiky ny raharaham-pirenena ny SEFAFI na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena. Toy ny efa fanaony matetika tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao dia naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ity fikambanana fiarahamonim-pirenena ity, omaly. Fanehoan-kevitra izay miompana manokana amin’ny resaka fahalalahana maneho hevitra sy fahafahana mamory vahoaka. Raha ny fahitan’ny Sefafi dia tsy misy fitsaharany fa mbola mitohy foana ny fanohintohinana sy ny faneriterena izany fahalalahana maneho hevitra izany avy amin’ny fitondrana. “Ratsy ny toe-draharaha misy eto amin’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao raha ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahafahana manao fihetsiketsehana no resahina. Mitovy tamin’ny faneriterena izay niainana tamin’ny taona 2001, 2003, ary ny taona 2005, ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao taona 2017 izao. Ny zavatra tsapa tao anatin’ny volana vitsy monja dia tena manam-piniavana ny handrara ny fihetsiketsehana rehetra izay kasain’ireo antoko sy fikambanana pôlitika manohitra ny fitondrana ny mpitondra amin’izao fotoana izao”, hoy ny Sefafi tao anatin’ny fanambarana navoakany, omaly. Nampatsiahivin’ny Sefafi moa ny zava-nitranga tamin’ny volana jona lasa teo. Noraràn’ny governemanta ny fanaovana hetsika pôlitika amin’ny endriny rehetra noho ny fankalazana ny fetim-pirenena kanefa ny 17 jona dia nanatanteraka zaikabem-paritra tany Toliara ny antoko HVM ary nahazo alalana tsara izay tsy fantatra mazava hoe tamin’ny fomba ahoana. Tao aorian’izay anefa dia hetsika lehibe 2 no nosakanan’ny fanjakana na efa tapitra aza ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena, dia ny fanamarihana ny tsingerin-taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara izay nokasaina natao tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ny 8 jolay lasa teo, ary ny hetsika saika nataon’ireo mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny MLE (Mouvement pour la liberté d’expression) ho fanamarihana ny tsingerin-taona voalohany nankatoavan’ny solombavambahoaka an’ilay lalàna momba ny serasera, tamin’io andron’ny 8 jolay io ihany. Nambaran’ny Sefafi moa fa efa namoaka fanambarana momba izay faneriterena sy fanohintohinana ny fahalalahana maneho hevitra sy manao fihetsiketsehana izay ny fikambanana tamin’ny 2001, 2003, ary ny taona 2005. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia hita fa mbola mitombina tsara amin’ny fihetsika ny mpitondra ny zavatra rehetra voalaza tao anatin’ireo fanambarana natao taloha ireo.
F.Tsihiavonana