Morondava : Mpizahatany frantsay saika matin’ny jiolahy
Manaratsy ny endrika ny fizahantany eto amintsika indray ny tranga niseho tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Teratany frantsay iray tonga hizaha tany any amin’iny faritr’i Menabe iny no saika namoy ny ainy rehefa novonoin’ny mpanendaka. Ny zoma 28 jolay teo no tonga tao Morondava ity mpizahatany vahiny ity ary ny ampitson’io andro io, izany hoe ny sabotsy teo, no niharan’izao herisetra sy fanendahana izao ny tenany. Raha ny loharanom-baovao dia torana tsy nahatsiaro tena intsony izy no hitan’ny fokonolona teny amoron-dranomasina. Lasan’ireo jiolahy daholo moa ny entana sy ny vola teny aminy ka ny fokonolona ihany no nanatitra azy tany amin’ny sefo fokontany sy ny hôtely nipetrahany. Ny alahady teo ihany dia niala tanteraka tao amin’ny Faritr’i Menabe ity teratany frantsay ity kanefa hijery manokana an’ireo zava-boary any an-toerana no tena anton-diany eto Madagasikara, raha ny fantatra.