“Le Rendez-vous tsy mahaleo : ny sampona” Maro ny Malagasy mankafy ny fandaharana

Ny faran’ny herinandro teo no nivoaka tao amin’ny tambazotran-tserasera amin’ny aterineto ny andiany fahefatra amin’ilay fandaharana “Le Rendez-vous tsy mahaleo ny sampona” izay vokarin’ireo mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny MLE. Raha ny resaka fahalalahana maneho hevitra no lohahevitra tamin’ilay andiany fahatelo dia ny momba ny fananan-tany indray no voaresaka ao anatin’ity andiany nivoaka farany ity. Tsara ihany ny manamarika fa na teo aza ny ramatahora nataon’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fampiantsoana ireo mpanao gazety sasany ao anatin’ny MLE dia tsy nijanona ny famokarana an’io fandaharana io. Mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy satria vao mainka nanome herim-po ho an’ireo mpamokatra ny fihetsika ny mpitondra ankehitriny izay efa hiarahan’ny rehetra mahita fa tsy mahazaka demôkrasia, anisan’ny lehibe amin’izany ny fahalalahana maneho hevitra. Ny zavatra tsikaritra tao anatin’izay 3 herinandro nivoahan’ny “Le Rendez-vous tsy mahaleo ny sampona” izay dia maro ny Malagasy mankafy ny horonan-tsary, ary mbola betsaka lavitra noho ny isan’ireo olona mijery an’ilay fandaharana “Le Rendez-vous” an’i Hery Rajaonarimampianina ny isan’ireo manaraka an’ity fandaharana vokarin’ny MLE ity. Manaporofo izany moa ny tarehimarika izay mipoitra rehefa mijery an’ireo fandaharana ireo.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire